Hetsika « Fijery hafa » ao Analanjirofo. Nisitraka fampiofanana maimaimpoana tamin’ny sehatra isan-karazany ireo tanora miisa 1170 ho fampidirana azy ireo amin’ny tontolon’ny asa sy ny fandraharahana. Voaporofo, araka izany, fa miroso amin’ny fampandrosoana iombonana sy lovainjafy i Analanjirofo miaraka amin’ny fanohanan’ny minisitera. Tohana ara-pilana fototra ao Arivonimamo. Nomena tantsoroka miendrika fehezan-karona […]
Fiaraha-monina
Kaominina Andriba Maevatanana : Maniry hitokana fokontany ireo avy any Androy
Manana faniriana ny hitokana fokontany mihitsy ireo mponina avy any Androy mila ravinahitra sy mivelona any Maevatanana, kaominina Andriba, fokontany Maroarano. Maro ny tsindrihazolena mianjady aminay ataon’ny sefo fokontany aty an-toerana ka tsara raha mitokana fokotany izahay hisian’ny firindran’ny fiarahamonina, hoy ireo mponina. Manamafy ny fangatahan’izy ireo ny filoha-paritry ny […]
Menaka Roots : Tsy nahazo fahazoan-dalana tamin’ny minisitera
Nitondra fanazavana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly, mahakasika ilay menaka Roots izay tsy manana fahazoan-dalana hohanina. Tsy hita anatin’ny tahirin-kevitra mahakasika ireo sakafo fihinana azo antoka sy nandalo fitiliana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny marika an’io menaka io. Tsy nandalo velively teo anivon’ny fitaleavana misahana ny fanaraha-maso sy ny kalitaon’ireo karazan-tsakafo […]
Fampianarana ambony : Ilaina ny fametrahana drafitrasa hirosoana amin’ny « digitalisation »
22% ny tahan’ny fampiasana ny internet eto Madagasikara, araka ny voalazan’ny Banky iraisam-pirenena ny taona 2022. Tsy mitovy ny fisitrahana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana azo hikirakirana izany ho an’ny tanàn-dehibe sy any ambanivohitra. «Mitondra inona ho an’ny oniversite ny tontolo nomerika ? ». Io ny lohahevitra nitondrana ny adihevitra nisokatra ho […]
Fanolanana nitarika fahafatesana : Ramatoa iray voaheloka 5 taona asa an-terivozona
Renim-pianakaviana iray 38 taona voaheloka higadra 5 taona, taorian’ny fitsarana azy teo amin’ny lapan’ny Fitsarana ambaratonga ambony, sampana ady heloka bevava tao Toamasina, ny 2 jolay teo. Nifanao fotoana tamin’ny sakaizany io ramatoa io. Niara-nanao ny fiainan’ny mpifankatia izy roa saingy nitondra zaza tsy ampy taona ilay vehivavy. Nahita ny […]




