Nahoraka ny fankalazana ny Andron’ny 8 marsa tao Toamasina. Ambohi-pihaonan’ny vehivavy maherin’ny 15000 izay avy amin’ny lafivalon’ny Nosy izany. Efa nitodi-doha namonjy fodiana ny ankamaroan’ny mpizaika. Indrokely, nanomboka nampiaka-peo kosa ny tompon-tanàna. Mizara ny fahasorenany ny renim-pianakaviana sasany sy ny fikambanam-behivavy maro. “Natao fitaovana hanamaro olona eo anoloan’ny araben’ ny […]
Fiaraha-monina
Oniversiten’i Toamasina: efa vonona ny BTR ho an’ny mpiasa
Nitafa mivantana tamin’ny filohan’ny oniversite, ireo mpampianatra sy mpandraharaha ary ny mpianatra tao Barikadimy, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny herinandro lasa teo. Laharam-pahamehana nandritra ny fitsidihana ny fametrahana ny filaminana sy ny fitoniana eo anivon’ny oniversite. Nohamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy […]
Aretina bronchiolite : tonga aloha ny vanim-potoana mampirongatra azy
Tsy mahafaty ny aretina mpahazo ny zaza, bronchiolite, raha voaray an-tanana ara-potoana ny fitsaboana. Nanokatra sampam-pitsaboana ny zaza ny hopitaly Andohatapenaka. Tonga aloha tamin’ity taona ity ny fiparitahan’ny aretina bronchiolite mpahazo ny zaza madinika, vao teraka hatramin’ny 12 volana. « Mivoatra izany raha ny zava-misy ao amin’ny hopitaly mikarakara ny reny […]
Fifaninanana 8 marsa: lasan’ny vadin’ny polisy ny 5 tapitrisa Ar
Anisan’ny nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny zon’ny vehivavy, 8 marsa, tetsy Ambohidratrimo ny avy amin’ny faritra Analamanga. Anisan’ny nampiavaka ny hetsika ny fanohanana sy ny fanomezan’ny vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy, valisoa lehibe ho an’ireo fikambanam-behivavy mendrika sy nanao seho niavaka tamin’ny filaharambe sy ny matso. Nibata sy nahazo […]
Fiofanana momba ny teny tanana: mpiantsehatra ara-pahasalamana 30 nahazo mari-pankasitrahana
Niofana mahakasika ny teny tanana ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana 30 avy amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Alaotra mangoro. Notolorana mari-pankasitrahana tetsy amin’ny Akanin’ny Marenina (Akama) 67ha, izy ireo, omaly. Nandritra ny tapabolana ny fiofanana nampanaovin’ny fikambanam-behivavy manana fahasembanana eto Madagasikara (Afham).Vitsy ireo vehivavy marenina manatona tobim-pahasalamana eto Madagasikara, raha ny zava-misy. […]