Nahafantarana ny fisian’ny olona mandray vatsim-pianarana kanefa tsy ao anatin’ireo lisitra tokony hisitraka izany ny fidinan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa mivantana teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Efa tsikaritra ny tsy fahatomombanana ka izany no anton’ny fanamarinana teny ifotony ary voaporofo fa misy ireo olona ao amin’ny fakiolten’ny Siansa […]
Fiaraha-monina
Oniversite : Misaraka ny fianarana dokotera sy paramedy
Nampahafantatra ny tomponandraikitra voalohan’ny Holafitry ny infirmiera sy ny sage femme (Conim), fa efa misaraka ny fampianarana mahakasika ny paramedy sy ny dokotera eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo manomboka izao. Fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fivoriana niarahan’ny roa tonta izany. Nisy ny fifampiresahanay tamin’ny sojaben’ny fakiolten’ny Fampianarana ho dokotera eto Antananarivo ka mizotra […]
Fihaonamben’ny firaisamonim-pirenena : Nisy ny atrikasa ho fanamafisana ny Pfnoscm/Voifiraisana
Nanatanteraka atrikasa tany Fianarantsoa ny Vovonan’ny Firaisamonim-pirenena. Ho fanomanana ny fihaonambe na « Convention Nationale n°4 », hotanterahina ny volana novambra ho avy izao. Notanterahana tao Fianarantsoa, nandritra ny roa andro, tamin’ity herinandro ity, ny atrikasa fanombanana, fanaingana, sy fanamafisana ny rafitry ny Plate-forme nationale des organisations de la société civile de […]
INDRAY MIJERY
Manatanteraka ny fanadinana bakalorea andrana na “Examen blanc” ny eny amin’ny Lycée amin’izao fotoana. Dingana hahafahan’ny mpianatra mitsapa ny fahaizany sy miaina sahady ny fiaimpiainam-panadinana. Saika efa vita avokoa ny fandaharam-pianarana ka ny famerenana no atao matetika mandra-pahatongan’ny fotoam-panadinana. Ankoatra ny fanadiovana ataon’ny fanjakana ireo toerana maro amin’izao fotoana, tokony […]
Fampiakarana haba nataon’i Etazonia : Hijery ireo mpiasa ahina ho very asa ny fanjakana
Mby an-koditra ny hahavery asa analiny, taorian’ny fampiakarana haban-tseranana 47% nampiharin’i Etazonia. Miezaka mitady vahaolana ny fanjakana ka nihaino ny vondron’ny orinasa afakaba (GEFP), tarihin’ny filohany, i Béatrice Chan Chin Yiu. Noraisin’ny minisitry ny Asa, Razakaboana Hanitra, tetsy 67ha, izy ireo, omaly. Fantatra fa ao ireo nampitsahatra ny fanondranana. Mbola […]