Misy foara lehibe « Back to school expo Madagascar », natokana ho an’ny fidiran’ny mpianatra sy fitarihana amin’ny safidy ho an’ny lalam-piofanana ary ny asa mifandraika. Hanomboka ny 3 ka hatramin’ny 6 septambra ho avy izao ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny hetsika. Tanjona ny hampivondrona ireo mpisehatra rehetra manampy ny tanora […]
Fiaraha-monina
Enina matin’ny kitrotro : Hohamafisina ny fanaovam-bakisiny
Voaporofon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa aretina kitrotro no nahafaty ireo zaza 6 tao Antsirabe II, tamin’ity herinandro ity. Noraisina avy hatrany ny fepetra ka notsaboina ireo mbola marary. Natao ny fikarohana ireo tranga sy olona nifandray tamin’ny marary, Noentanina ny mponina hanatona avy hatrany ny tobim-pahasalamana vantany vao marary. Nohamarinina ny […]
Ady amin’ny famarinana olombelona: Niakatra sokajy faharoa i Madagasikara, mitohy ny ezaka
Efa mivoatra amin’ny tsara hatrany ny ezaka ataon’i Madagasikara amin’ny ady amin’ny famarinana olombelona. Miara-dia amin’i Madagasikara ny amerikanina amin’ity ady ity. Nisondrotra tamin’ny sokajy 2 amin’ny maridrefy iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny famarinana olombelona i Madagasikara, araka ny tatitra navoakan’ny departemantam-panjakana amerikana tamin’ny taona 2025. Marihina fa nijanona nandritra […]
INDRAY MIJERY
Nidina ifotony teny amin’ny fokontany Ankorondrano Andranomahery ny tomponandraikitry ny boriborintany Tana III sy ireo mpiara-miasa aminy. Nijery akaiky ny olana momba ny fahatapahan-jiro miverimberina eny an-toerana izy ireo. Hita fa tsy mahazaka intsony ny isan’ireo tokantrano mampiasa herinaratra ny transformateur eo amin’ilay andrin-jiro. Nandritra ny varavarana misokatra natao tao […]
METFP : Mila ainga vao ny fampianarana teknika
Hotanterahina any Mahajanga, ny 11 aogositra, ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonambe ho fanavaozana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Sehatra iray hifanakalozan’ny mpampianatra sy orinasa ary mpandraharaha indrindra ny mpianatra izany. Tanjona ny iarahana manorina ny ho avy mivoatra kokoa amin’ny sehatry ny ara-teknika sy fanofanana arakasa […]




