Ao anatin’izao fotoanan’ny karemy izao, miatrika ny herinandrom-bokatra ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF), ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena. Manomboka amin’ity alatsinainy ity izany, ka hetsika maro toy ny fanabeazana, dinidinika, fitorian-teny an-kira sy fanatanjahantena no hanamarihana izany. Lohahevitra mikasika ny fananahana, ny hisantaran’izy ireo ity andro voalohany ity. Rahampitso […]
Fiaraha-monina
Toetr’andro : mitondra orambe ilay andro ratsy
Mivoatra tsikelikely ao atsinanan’ny faritra Sava ilay faritra andro ratsy any avaratry ny Nosy. Omaly, tany amin’ny 200 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Vohémar no nisy ny foibeny. Mikisaka mianandrefana somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 25km isan’ora. Manodidina ny 45km/ora hatramin’ny 65/ora ny rivotra entiny ary mitondra orana betsaka. […]
Fampianarana ambony : Kendrena ho ara-potoana ny vatsim-pianarana
Tafiditra anatin’ny ezaky ny minisiteran’ny Fampianarana ambony ny famahana ny olan’ny mpianatra. Ezahina tsy ho tara intsony ny famoahana ny vatsim-pianarana. Ambetin-tenin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Razafiarison Andriamanantena, ny tsy hisian’ny fahataran’ny vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite rehetra manerana ny Nosy. Nolazainy izany nandritra ny fihaonany tamin’ireo […]
Androbe: Aretin’ny atidoha faharoa hanatonan’ny olona hopitaly
13 amin’izao fotoana izao ny neurologue spécialiste miasa manerana ny Nosy. Ny mpitsabo ny aretina ankapobeny koa dia nahazo fiofanana momba ny « neurologie » nandritra ny fianarany ho mpitsabo ary afaka mandray an-tanana ny olona tratran’ny androbe, hoy ny neurologue interniste ao amin’ny service neurologie-HJRB, Razafimahefa Julien. Maneran-tany, 50 tapitrisa ny […]
Morondava : nohavaozina ny Lycée technique professionnel
Niova endrika tanteraka ny efitrano fampianarana sy fanamboarana sambo vita amin’ny hazo ao amin’ny Lycée technique professionnel (LTP) Morondava, faritra Menabe, noho ny fiaraha-mientan’ny mpianatra sy ny tanora ao anatin’ny fikambanana Io Renala. Narenina ny trano falafa teo aloha ary lasa trano biriky mitafo fanitso. Nofaranana tamin’ity herinandro ity ny […]