Lany ho filohan’ ny fikambanan’ireo manampahaizana ambony, DHEA, nivoaka avy amin’ny sekoly momba ny fitantanan-draharaha (Enam), Ramanantsoa Andriamahafaly Rado, izay avy amin’ny andiany fahatelo. Tomponandraikitra vonona ny handray anjara mavitrika amin’ny fanatsarana sy fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny tsy miankina eto amin’ny firenena ny DHEA. Vonona hitondra ambony ny fanevan’ny […]
Fiaraha-monina
Kaominina Androhibe: miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina
Manodidina ny 300 ireo tantsaha nisitraka zezika 300 t avy amin’ny orinasa tsy miankina ao amin’ny kaominina Androhibe Antsahadinta, distrikan’Atsimondrano, omaly. Avy amin’ny fikambanana matihanina ireo tantsaha ireo ary nisitraka fampiofanana momba ny fambolena sy ny fitantanam-bola ihany koa. “Porofon’ny fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana ny fanehoana fiaraha-mientana […]
Vohoka tsy irina – IST/Sida: tsy miaro tena ny tanora
Any an-tokatrano, ny zazavavy ihany no mahazo fanabeazana avy amin’ny ray aman-dreny. Matetika tsy manazava ny fahasalamana ara-pananahana izy ireny fa mijanona ho fananarana miendrika fampitahorana fotsiny. Nanao fanadihadiana an’ ireo tanora 800 amin’ny toerana efatra: Antananarivo, Toamasina, Antsiranana ary Toliara ny Health Economics and HIV and Aids Research Division(HEARD), […]
Taorian’ny fiofanana asa amin’ny web: tanora 200 niatrika fifantenana mivantana
Hisitraka asa sahaza azy ireo tanora nanaraka fiofanana maimaimpoana nataon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika. Taorian’ny fiofanana maimaimpoana nampanaovin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fiofanana arakasa momba ny asa amin’ny web, ny volana janoary lasa teo, niroso tamin’ ny fandraisana mpiasa mivantana ny orinasa fito, omaly, teny Ampefiloha, foiben-toeran’ny minisitera. Tanora 200 voaofana […]
Vatovavy sy Atsinanana : Hitondra sisan-drahona i Eleanor
Taorian’ny fandalovany tao Atsinanan’i Maorisy afakomaly, nanohy ny diany nianatsimo ilay rivodoza Eleanor. Omaly maraina tamin’ny 11 ora, tany amin’ny 1 160 km atsinanan’i Farafangana no nisy ny ivony. 90 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 125 km isan’ora. Raha ny sary azo avy amin’ny zanabolana, hita fa […]