Fanamby lehibe miandry ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina ny fikirakirana ny fako. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa Produir, nankinin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) amin’ny vondrona Artelia/Phoenix /Artelia Madagascar izany. Eo ny fanaovana fikarohana sy fanomezana tantsoroka amin’ny tetikady momba ny fikirakirana ny fakon’Antananarivo sy ny […]
Fiaraha-monina
Tetikasa “Oriente Jeunes” : Tranonkala hitarika ny tanora hisafidy ny fiofanana sahaza azy
Manohy ny ezaka amin’ny fanentanana ireo tanora hiofana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa. Napetraka ny tetikasa “Oriente Jeunes” izay tohanan’ny Unesco amin’ny alalan’ny fandaharanasa “Better Education for Africa’s Rise (BEAR 2)”. Ho fampahafantarana ny rehetra momba ny fanofanana sy ny fidirana amin’ny sehatry ny fampianarana teknika sy […]
INDRAY MIJERY
“Mbola ambony ny tahan’ny reny maty eo am-piterahana eto amintsika. 408 ho an’ny zaza teraka 100 000 ny reny mamoy ny ainy”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka. Nisy ny ezaka tao anatin’ny roa taona ka 1/3 amin’ny distrika sisa no manana taha ambony fa efa nidina 110 ho an’ny zaza teraka […]
Fialana amin’ny fampanambadiana ankizy : Ray aman-dreny 300 hofanina ao Ambovombe
Nifarana tamin’ny fitsidihana ny ivontoerana ao Betsimeda Ambovombe ny dian’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ao amin’ny faritra Androy, ny faran’ny herinandro teo. Miantsehatra amin’ny fanabeazana sy fampiofanana ny ray aman-reny hialana amin’ny fanambadiana aloha loatra ary manampy amin’ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy […]
Faritra Anôsy : Nahazo tafo hanarenana ny tanàna simba
Maro ny fahavoazana niteraka takaitra ho an’ny mponina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Jude tany amin’ny faritra Anôsy. Tsy nitazam-potsiny fa nanolo-tanana ny orinasa QMM RioTinto ao an-toerana, ka nanolotra fanampiana tamin’ny alalan’ny CCO Anôsy. Fanitso 3 000 sy fantsika no nomena ho fanarenana ny simba hahafahan’ny mponina miverina amin’ny andavanandrom-piainany. […]