Fiaraha-monina

Famonjena ny olona any Ikongo: Mila haingana sy mivantana ny vokatry ny asa

Nanaporofo ny fitondram-panjakana, omaly, fa miara-mi­entana ny hery velona rehetra amin’ny fiatrehana ny trangan’aretina tazomoka mitongatra any amin’ny distrikan’ Ikon­go. Efa miantsehatra avokoa ny tomponadraikitra rehetra, ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka, ny BNGRC, ny mpitandro filaminana manampy ireo mpiray tanindrazana any an-toerana, araka ny fa­na­zavan’ny sekretera jenera­lin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina. […]

Protocole de Maputo : Mitohy ny adisisika amin’ny fankatoavana

Nampahafantatra ny hetsika hanamarihana ny faha-22 taona nisian’ny fifanarahan’i Maputo ho an’ny firenena afrikanina ny tomponandraikitra misahana izany eto Madagasi­kara, omaly, tetsy Besarety. Tombony ho an’i Madagasikara ity fifanarahana ity satria lalàna velona sy mihatra noho izy mirakitra andininy 32 miresaka ny zon’ny vehivavy. Eo koa ny fijerena ny antsipirian’ny […]

Andro iraisam-pirenena ho an’ny mponina: Omena sehatra ny tanora hisafidy hoavy mamiratra

Mitondra hafatra ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, ka nilaza fa ny fanabeazana ny tanora hahafahan’izy ireo misafidy malalaka sy am-pahamendrehana ny lafiny ara-pananahana no vahaolana mahomby. Andro maneran-tany ho an’ny mponina anio. Omeo ny tanora ireo fomba hanorenany fianakaviana araka ny safidiny ao anatin’ny tontolo marina […]

INDRAY MIJERY

 Fanokafana ny fetin’ny trozona 2025. Hoton­tosaina mandritra ny fidinana ifotony ny Filohan’ny repobika, Rajoelina Andry, ao amin’ny Nosy Boraha, ny zoma 11 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana MTA miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy.  ampiofanana maimaimpoana ao Menabe.  Nisitraka fiofanana ireo vahoaka […]

Vono olona : Lehilahy voakapaka famaky intelo

Raim-pianakaviana 52 taona hita faty teo ambodihazo somary misy rano miandrona noho ny orabe nikija tao Vohindrotra, fokontany Ivo­loina, kaominina ambanivohitra Antetezambaro, ny alahady 6 jolay teo. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana io lehilahy io, raha ny fanadihadiana nataon’ny zandary sy ny mpitsabo teny an-toerana. Nahitana ratra toy ny diam-pamaky […]