Fiaraha-monina

Ady amin’ny fiparitahan’ny VIH/Sida: hiara-hiasa amin’ny fiarahamonim-pirenena ny ONG Mad’Aids

Tsapa ho somary ambanin-javatra ny fitarihana amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina VIH/Sida teto Madagasikara. Nanavao fomba fiasa, araka izany, ny ONG Mad’Aids, manomboka izao. Nanavao  ny  fomba  fiasa hanatsarana ny  fandraisana  an-tanana sy ny ady amin’ny fiparitahan’ny aretina VIH/ Sida eto Madagasikara, ny ONG Mad’aids. Tambajotra tokana ivondronan’ny fikambanana 35, […]

Sambo lehibe fitsaboana Mercy Ships: hitsabo ny fandidiana rehetra amin’ny sarany maimaimpoana

Nigadona ao amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina, afakomaly maraina, ny sambo lehibe fitsaboana antsoina hoe « Mercy Ships ». Handray an-tanana sy hitsabo maimaimpoana ny marary, mandritra ny roa taona hijanonany ao an-toerana izy io. Hifantoka amin’ny fandidiana amin’ny endriny maro samihafa. Toy ny karazan’ aretina fivontosana, katarakta, “hernie”, bingon-tongotra na tanana, sima […]

Fivarotana lasopy mandehandeha: misy ireo tsara kalitao sy ara-pahasalamana

Maro samihafa ireo mpivarotra hani-masaka hita eny rehetra eny. Tsy mifidy toerana intsony fa ahitana azy ireny avokoa rehefa toerana be olona. Mba ho fitsinjovana ny fahasalamana anefa, ilaina hatrany ny mifidy ny tsara kalitao. Nandritra ny enin-taona izay no niseharan’ity raim-pianakaviana ity teo amin’ny fivarotana lasopy. Dingana maro no […]

Fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza : nitety ny asa any atsimo i Reena Ghelani

Tamin’ity herinandro ity, nidina tany atsimon’ny Nosy, nitety ireo asa tohanan’ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka ny iraky ny Firenena mikambana tarihin’ny sekretera lefitra, i Reena Ghelani. Notarihin’ny tale je­neralin’ny BNGRC ireo ekipa nanao fitetezam-paritra. Nisantarana ny dia ny fitsidihana ny Start Network ao Anjataoka 3. Nanazava ny tombontsoa azony […]

Marins pompiers de Marseille : nampiofana ny mpamonjy voina

Nampiofana sy nifampizara traikefa ireo sampana mpamonjy voina ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny avy ao amin’ny Marins Pompiers de Marseille tamin’ity herinandro ity. Mahakasika ny fitantanana sy ny fahaiza-manao amin’ny famonoana afo no tena votoatin’izany. Misy ihany koa ireo fitaovana maromaro hoentina hiarovana amin’ny afo izay nanampian’ny Marins […]