Mpanohana tsy tapaka ny BNGRC ny Fiangonan’ny Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany nanomboka ny taona 2020 no ho mankaty rehefa misy voina na loza miseho ka mahavoa ny mpiara-belona. Hapetraka ho tahiry ireo sakafo sy fitaovana azo hiomanana sahady amin’ny voina toy ny afo sy ny hafa. Efa […]
Fiaraha-monina
Fanabeazana : Notokonana ny EPP fanampiny Ambohibary
Notokanana afakomaly ny fotodrafitrasa vaovao EPP Annexe Ambohibary, Cisco Antananarivo Atsimondrano, Zap Ampitatafika. Maoderina ny trano sekoly, ahitana efitra telo izay efa misy dablio avokoa. “Manana EPP ity toerana ity fa efa tranainy sy misy simba”, hoy ny ben’ny Tanànan’ Ampitatafika, Ramparaoelina Rado. Natao ny fotodrafitrasa mba hahafahan’ny ankizy mianatra […]
INDRAY MIJERY
Ho avy matevina ny orana any amin’ny morontsirak’i Vatovavy, Fitovinany ary hiitatra ho an’ny faritra Atsinanana, raha toa ka hiendrika tandrifin-drahona izany ho an’ny atin-tany andrefan’ny Nosy. Tombanana hitohy hatrany ny orana any amin’ny morontsiraka Atsinanan’ny Nosy ato anatin’ny roa andro ho avy ka ho betsaka kokoa izany amin’ny toerana […]
Fiarovana ny loza any am-piasana : Tsy azo ihodivirana ny haitao ara-kajy mirindra
Nisongadina tamin’ny lahatenin’ny minisitry ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananan’asa, Razakaboana Hanitra, nandritra ny fanamarihana ny aro loza ny fahasalamana eo amin’ny sehatry ny asa ny fanovana ireo fehezan-dalana fanamafisana ny adidy sy ny andraikitry ny mpampiasa. Maro ny ezaka noraisin’ny fanjakana, anisan’izany ny fankatoavana ireo fifanarahana iraisam-pirenena […]
Seba sy Mad Cap Isotry : Afindra eny Fieferamanga ireo vonona hioitra
Tonga teny amin’ny Ex Mad Cap sy Seba Isotry ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, omaly, nanentana ireo fianakaviana izay vonona ny hiarina amin’ny fiainana ka mazoto ny hanorina fiainam-baovao any Fieferamanga sy Ambohimiarina. Efa arifomba ny fotodrafitrasa handraisana olona hatrany amin’ny 200 tokantrano, raha ny fanazavana. […]