Fiaraha-monina

Ady amin’ny herisetra : Hitondrana hafatra ny zavakanto

Tsy natao ho fialamboly sy fanehoana talenta fotsiny ny zavakanto (teatra, slam, mozika, dihy…) fa azo ampiasaina hitondra hafatra hiteraka fiovana toe-tsaina sy fiovam-pihetsika eny anivon’ny fiarahamonina ihany koa. Nisafidy ny hitrandraka ny zavakanto ho fitaovam-panentanana hiadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy (VBG), hampijoroana ny zon’ny […]

CHU Analakininina : Nohavaozina ny fotodra­fitrasa fitsaboana zaza

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny trano nohavaozina sy ireo fitaovana vaovao ho an’ny Sampana mandray an-tanana ny zaza ho an’ny CHU Analankininina, Toamasina, tamin’ity herinandro ity. Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany ny tetikasa. Nanomboka ny septambra 2025 ny […]

Orange Madagascar : Manasongadina ireo start Up sy ny vehivavy tohanany

Anisan’ny mpanohana ny hetsika Andron’ny fakiolten’ny toekarena, fitantanana ary sosiolojia sy ny mpiray ombon’­ antoka (JFP) ny Orange Madagascar. Hetsika tanterahina eny Ankatso, mandritra ny hateloana. Nosantarina omaly ity andiany fahenina ity, izay miavaka amin’ny sehatra fandraharahana. Mi­son­­gadina ny start up sy ny vehivavy nahazo tohana avy amin’ny Orange Mada­gascar. […]

INDRAY MIJERY

Fanjarian-tsakafo ho an’ny zaza madinika ny lohahevitra iompanan’ny fivoriana hotanterahin’ny mpitsabo manokana ny kilonga, ho an’ity taona ity. I Toliara no handray an’izany. Ahitana mpiasan’ny fahasalamana handray anjara amin’ny fiofanana, fizarana traikefa sy voka-pikarohana samihafa, ny 6 sy 7 aogositra ho avy izao. “Olona 90 000 no mitondra ny tsimokaretina […]

Fikaonandoham-pirenen’ny tanora : 700 ireo mpandray anjara eny amin’ny CCI

Taorian’ny fikaonandoham-paritry ny tanora isaky ny faritra, notanterahina teto An­tananarivo ny atrikasa famaranana ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora ho an’ny Fa­navaozana. Eny amin’ny CCI Ivato, mandritra ny hateloana, nosantarina omaly, izany. Tanora 700 mahery, avy amin’ny Faritra 24, voasolo tena ao avokoa ary hitondra ny feon’ny tanora namany. “Na­nomboka teny amin’ny kaominina, […]