“Tsy mijanona fotsiny ho fitarainana ny paositry ny polisy fa natao ho fototra hanorenana ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny polisy. Sehatra ifampiresahana ahafahana mamantatra mialoha ireo olana miteraka tsy fandriampahalemana izy ireny”, hoy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka. Misokatra ho an’ny rehetra, ho fitorohana sy fitarainana ary fampitam-baovao amin’ny […]
Fiaraha-monina
Fihaonambe iraisam-pirenena momba ny matematika : Mpampianatra fito misolo tena an’i Madagasikara
Mpampianatra fito, avy amin’ny Ecole doctorale mathématiques et applications (EDMA), ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo, no misolo tena an’i Madagasikara mandritra ny Fihaonambe iraisam-pirenena momba ny matematika. Atao any Filadelfia, nanomboka ny alakamisy lasa teo ka hatramin’ny 31 jolay ho avy izao ny hetsika. Hanolotra ny asa fikarohany avy, eo anatrehan’ny fianakaviamben’ny […]
Faritra Bongolava; Namolavola drafitra iatrehana ny afo
Notanterahina nandritra ny dimy andro, nifarana ny zoma lasa teo, tany Ampefy, ny atrikasa famolavolana ny drafitra rezionaly hiatrehana ny vanim-potoan’ny afo 2026 -2027 ho an’ny faritra Bongolava. Nitondra ny tohana ara-teknika sy ny fahaiza-manaony amin’ny famolavolana izany ny BNGRC, ho fanamafisana ny fandrindrana sy ny fandraisana andraikitr’ireo mpiantsehatra rehetra […]
Foibem-panadinana LMA : Mpiadina 761 niatrika ny adina ara-panatanjahantena, “théorie”
Nikatona tanteraka, omaly, ny fanadinana bakalorea ho an’ny fampianarana ankapobeny, raha mbola hiatrika ny dingana faharoa ny sampana teknika sy teknolojia mandritra ny hefarana, manomboka ny alatsinainy 27 jolay ho avy izao. Omaly no niatrika ny taranja Sciences économiques et sociales (SES) ny mpiadina bakalorea ho an’ny sokajy L, S […]
INDRAY MIJERY
Nandray andraikitra avy hatrany ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Anôsy nanentana sy nanao fanadiovana faobe ny moron-dranomasina ao Ankoba Taolagnaro. Nifarimbona sy niara-nisalahy tamin’izao hetsika izao ny fitaleavam-paritry ny Tanora sy ny fanatanjahantena ary ny solontena avy amin’ny kaominina Taolagnaro. Sarobidy loatra ny fahasalamana ka laharam-pahamehana ny manana tontolo iainana madio. […]




