Fiaraha-monina

Young Leaders 2025: Nisongadina ny Dr Domoina ao amin’ny CUA

Anisan’ireo tanora 30 voafantina tamin’ireo 6 000 nisongadina tamin’ny “Youg Leaders 2025”, araka ny nambaran’ny French African Fondation, ny Dr Domoina, izay avy ao amin’ ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Sangany amin’ny fomba fitarihana feno fanoloran-tena izy. Nampisongadina azy indrindra ny fahaiza-mitarika amin’ny alalan’ny asa ataony amin’ny sehatry ny fahadiovana, fanentanana, […]

Governora Rasoamaromaka Hery : Tazonina ny tanàna milamina, mitohy ny ezaka fanatsarana

Nanao tombana ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, omaly, tetsy Ambohidahy, taorian’ny fandraisana ireo filoham-pirenena maro, izay niatrika iny fivoriamben’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina (COI) iny. Nisaotra ny tomponandraikitra maro ny governora, Rasoamaromaka Hery, tamin’ny ezaka nandaminana ny tanàna tao anatin’ ny fotoana fohy, nandritra ny COI. Nisaotra ny vahoaka malagasy […]

INDRAY MIJERY

Nampivarahontsana ny mpianatra sy ny ray aman-dreny ny fahavoazana nihatra tamin’ireo mpianatra nanao dia fibeazana tany Mahajanga. Maro ny fanehoan-kevitra nivoaka ary samy naka lesona ny rehetra. Ao ireo nandray fanapahan-kevitra tsy handefa ny zanany intsony satria tena raiki-tahotra. Natao ny zoma sy sabotsy teo, manerana ny Nosy ny fifaninanana […]

Hopitaly: Manao ezaka amin’ny fandraisana tsara

Noresahin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny kalitaon’ny fandraisana marary eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra sy ny hopitalim-panjakana. Raha ny fanehoan-kevitry ny olona dia betsaka ireo tsy afa-po amin’ny tolotra sy fandraisana eny amin’ny tobim-pahasalamana. Maty ho azy ny marary raha tsy misy vola… Ny Dr Ramarolahy Andriantiaray Rija, tale jeneraly misahana ny tolotra […]

Fahasalamana : Mandray ireo marary mafy amin’ny alina

Mampitaraina ny olona mitondra raharaha eny amin’ny tobim-pahasalamana ny tsy fisian’ny mpiasan’ny fahasalamana rehefa ora fisakafoana na rehefa amin’ny alina. Nanazava ny tomponandraikitra fa misokatra amin’ny fotoana rehetra isan’andro amin’ny ora rehetra ny tobim-pahasalamana. Izay no nametrahana ny lehiben’ny CSB akaikin’ny toeram-pitsaboana mba hahafahana miantso azy haingana. Nasiana trano ho […]