Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ny fikambanana miahy ireo olona manana fahasembanana momba ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Manana andraikitra avokoa ny sokajin’olona rehetra. Fikambanana telo misehatra ao amin’ny faritra Atsinanana: COPH, Afham ary Faam no nisitraka izany nandritra ny volana jona lasa teo. Tanjona ny hifehezan’ireo mpiofana ny maha zava-dehibe […]
Fiaraha-monina
Tily : Hisy lasy nasionaly roa any Moramanga
Feno 90 taona ny Sampana mavo sy ny Sampana mena, an’ny fikambanana Tily eto Madagasikara. Manomana lasy lehibe roa ny mpikarakara ny 1 ka hatramin’ny 5 aogositra ho avy izao, any Moramanga, hanamarihina izany jobily izany. Zazalahy 6 ka hatramin’ny 11 taona no beazina ao amin’ny Sampana mavo, raha ireo […]
Seranam-piaramanidina Ivato : Nanao fanazarantena momba ny fitantanana ny areti-mifindra:
Manoloana ny fihanaky ny areti-mifindra maneran-tany manao fanazaran-tena ny eny amin’ny seranam-piaramanidina, Ivato. Nisantarana izany ny fitantanana tranga ahina ho aretina Ebola. Nandray anjara tamin’ izany ireo mpiantsehatra rehetra eny anivon’ ny varavarana fidirana iraisam-pirenena, izay maharitra hateloana. Nandritra ny andro voalohany, nisy ny fanomanana niarahan’ireo mpiantsehatra sy ireo sampandraharaha […]
INDRAY MIJERY
Namoaka ny tatitra nasionaly momba ny fanadinam-panjakana BEPC ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Mahatratra 61,85% ny taham-pahafana nasionaly ka ny Cisco Miandrivazo no manana ny ambany indrindra, 22,30% raha ny Cisco Ampanihy no nahazo ny taha ambony indrindra, izay nahatratra 95,27%. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ao Mahajanga, ny fiandohan’ny herinandro teo, […]
Sampandraharaha misahana ny vaksiny: Nahazo fitaovana fitaterana sy fitahirizana
Ao anatin’ny ezaka fanamafisana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana sy ny fitahirizana vaksiny araka ny fenitra iraisam-pirenena, natolotra ny fitaovana “Indigo”®. Fitaovana maoderina natokana hitaterana sy hitahirizana vaksiny, novolavolain’ny EMK Tec miaraka amin’ny fiaraha-miasan’ny Gavi sy ireo mpiara-miombon’antoka izany. Ny Global South Health no mizara azy ary ny DCO, solontena eto […]




