Vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 1 848 no napetraka eny amin’ny CSB rehetra nanomboka ny taona 2019. 75 fotsiny izany ny 2013 raha efa 2 788 ny CSB manana an’izany ankehitriny. Mbola hitohy ny fametrahana ity fitaovana ity, hoy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. 1/3 ny olona tombanana fa mitondra […]
Fiaraha-monina
Oniversiten’i Toliara : Hangarahara ny fampidirana mpiasa
Nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Chaminah Loulla, tao amin’ny oniversiten’i Toliara, ny herinandro lasa teo, nandray ireo toko telo ny tenany. Ahitana ny mpianatra, mpampianatra ary mpandraharaha izany, ahafahana manatsara ny tontolon’ny fampianarana ambony any an-toerana. Namaly ny fanontanian’izy ireo ny minisitra […]
Toetry ny andro : Misy ny fampitandremana momba ny alondrano
Manomboka mitoetra any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana ny alondrano ateraky ny tsioka atimo. Tombanana hiitatra miandalana any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo atsinanana ary ny afovoany atsinanana izany. Hahery ny ranomasina amin’ny ankapobeny. Tombanana ho 3m ny haavon’ny onja, ny eo anelanelan’i Besalampy sy Morombe, ny eo anelanelan’i Taolagnaro […]
Fanabeazana ho an’ny fiainana mirindra : Nohatsaraina ny fitaovana ampiasain’ny mpanabe
Nandray atrikasa momba ny fanabeazana ho an’ny fiainana mirindra ny tao amin’ny Lovasoa 4C, Antsirabe, ny herinandro lasa teo. Nampiarahina tamin’izany ny fampianarana ny fananahana eny an-tsekoly. Niompana tamin’ny fanabeazana feno ara-pananahana sy ny fanabeazana ho an’ny fiainana mirindra ny atrikasa notanterahina tany Antsirabe. Tanjon’ ny mpikarakara ny hanatsarana ny […]
Akademia Miaramila Antsirabe : Naseho ambany faneva ny andiany manokana faha-27
Notanterahina omaly, tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe, ny fanehoana ambany faneva ireo mpianatra ho manamboninahitra avy ao amin’ny andiany manokana faha-27 na 27°Péloton de Formation Militaire des Cadres Spécialistes (PFMCS). Nanome voninahitra izany ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, niaraka tamin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, […]





