Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Isaky ny alarobia, mijery lohahevitra vaovao momba ny tontolon’ny fahasalaman’ny saina ny Asso­ciation Psy-kôzy Madagascar. Afaka manaraka ny pejy ao amin’ny facebook ireo liana amin’izany. Noresahina tamin’ ity herinandro ity ny “psychoéducation”: izay voambolana anaty fitsaboana. Raha adika amin’ny teny tsotra izany, fampahafantarana momba ny aretina mahazo. Anisan’ireo andry iankinan’ny […]

Fampianarana ambony: Hananganana oniversite filamatra

Firenena mampiasa ny teny frantsay manana mpia­natra betsaka indrindra aty Afrika i Madagasikara. Ny teny frantsay no ampiasaina hampitana fahalalana ho an’ny ankizy manomboka amin’ny sekoly ambaratonga voalo­hany hatramin’ny fampiana­rana ambony eny anivon’ny oniversite eto Madagasikara. Voaka­sika ao avokoa ny se­koly mian­kina amin’ny fanjakana sy ireo miahy tena, hoy ny […]

Sakafo an-tsekoly : Minisitera roa hifanohana

Tafiditra ao anatin’ny politika ankapoben’ny fitondram-panjakana ny fizakan-tena ara-tsakafo. Nisy ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny minisitry ny Fana­beazam-pirenena, Dr Sahondrarimalala Marie Michelle sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio, mahakasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera roa tonta amin’ny alalan’ny fampisakafoana an-tsekoly na “cantine scolaire” tamin‘ity […]

Ady amin’ny haromotana ; Alika mirenireny 287 novonoina tao anatin’ny 3 herinandro

Tafiditra ao anatin’ny fanadiovana an’Antananarivo sy fiarovana ny mponina ny hetsika famonoana ireo alika mirenireny ao anatin’ny boriborintany 6. Ireo alika manan-tompo dia tokony hifatotra tsara any an-tanàna. Mitohy ny hetsika famonoana ireo alika mirenireny eto Antanana­rivo. Ifarimbonan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka ny fiandraiketana izany. Tafiditra amin’ny […]

INDRAY MIJERY

Ny fianarana teny vahiny no nisantarana ny fiofanana voalohany tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, anatin’ny hetsika “Fijery hafa” miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Miisa 567 ireo nisitraka fiofanana. Anisan’ny sampana tena nisongadina tao amin’ny faritra ny voly legioma sy anana ary ny fanamboarana zezika sy ny […]