Vita ny fotodrafitrasan’ny tsenan’ny Coum 67ha nasiam-panavaozana. Efa niverina nivarotra ao an-toerana ireo mpivarotra 2 200 mahery, nafindra vonjimaika teny Andohatapenaka. Misedra olana goavana anefa ireto mpivarotra ao anaty tsena ireto noho ny fisian’ireo mpivarotra tsy ara-dalàna mibahana sy manelingelina ny fidiran’ny mpividy ao an-tsena. Mijanona any ivelany avokoa ireo […]
Fiaraha-monina
MUSEA: olona 2 000 efa nisitraka ny fandaharanasa amerikanina
Tanjon’ny fikambanana MUSEA ny hampita ny soatoavina amin’ny tanora malagasy : fanetren-tena, fahitsiana, tamberin’andraikitra ho an’ireo izay vonona hisitraka ny fandaharanasa tohanan’ny governemanta amerikanina. 2 000 eo ho eo ireo olona nisitraka ny fandaharanasa natolotry ny governemanta amerikana, mivondrona anatin’ny “Madagascar-United States Exchange Alumni (MUSEA)”, tohanan’ny masoivoho amerikana eto Madagasikara sy Kaomoro. […]
Tetikasa « Produir »: misitraka ny fahadiovan’ny lakandrano C3 ny mponina
Notanterahina omaly teny amin’ny fokontany Mandrangobato Anosibe ary hitohy anio eny Ankasina ny andro natokana ho fiaraha-mientana amin’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa Produir. Fotoana nanombohana sy namaritana ny toerana izay hiasana ary fametrahana ireo marika sy takelaka maro samihafa, mba hahafahan’ny tetikasa « Produir » manomboka no natao omaly, teny Anosibe. Teo koa […]
Sakafo an-tsekoly: mila ampitomboina ny vola ampiasaina
Mila ampitomboina ny vola atokana ho an’ny fampisakafoana an-tsekoly, hahazoana mampiakatra ny isan’ny mpisitraka satria iankinan’ny fahombiazan’ny fanabeazana. Minisitera maromaro no voakasiky ny fanomezana sakafo, ka zava-dehibe ny fandrindrana ny asa rehetra, manomboka amin’ny fitsinjarana ny vola eny ifotony hatramin’ny fividianana ny vokatra ary ny fitantanana ny toeram-pisakafoana. Hapetraka koa […]
Fahasalamana: ireo tranga mandrisika ny aretina Alzheimer
Maro ireo tranga mety hahatonga ny aretina Alzheimer aloha loatra ka mila tandremana. Misy ny fitiliana ny fitadidiana ahafantarana ny mety mampiahiahy. Mbola ao anatin’ny iray volana ho an’ny aretina Alzeimer mandritra ity septambra ity. Nampahafantatra ireo karazana tranga mandrisika ity aretina ity indray ny fikambanana Masoandro Mody, tamin’ity herinandro […]