Raha ny vokatra vonjimaika ao amin’ny kaominina Ivato dia mandresy indray ny kandidà Randrianarisoa Penjy, laharana faharoa tamin’ny biletà tokana. Mitarika amin’ny isam-bato 36,28% ny tenany. 782 kosa ny elanelam-batony amin’ny kandidà manaraka izay manana ny salanisa 27,71%. Naharesy lahatra ny olona nifidy an-dRandrianarisoa Penjy ny asa vitany sy ny […]
Fiaraha-monina
RIVODOZA Chido: Manalavitra ny morontsirak’ i Madagasikara
Tamin’ny 5 ora sy sasany, omaly hariva, tany amin’ ny 135 km avaratra atsinanan’Antsiranana no nisy ny foiben’ilay rivodoza mahery vaika Chido. Niakatra ho 185 km isan’ora indray ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 260 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Mizotra mianandrefana somary atsimo andrefana izy amin’ny hafainganam-pandeha 23 […]
WMG : Nizara « Colis de Noël » ho an’ny ankizy
Nisitraka fanomezana krismasy avy amin’ny Wednesday Morning Group (WMG) ireo mpianatra eo anivon’ny EPP Andranovelona, Ambohitrinindriana ary Fieferana Ambohimiarina Andrefana, ao anatin’ ny kaominina Ilafy, omaly. Nahitana fanomezana zavatra maro anaty fonosana ny tolotra, antsoina hoe “Colis de Noël”. Niampy fizarana mofo mamy avy amin’ny WMG ihany koa izany. «Tanjona […]
INDRAY MIJERY
Ankatoky ny Noely sy faran’ny taona, mahasarika ny mpiantsena ny karazan’entana zakan’ny fahefa-mividiny. Mahaliana ny ankamaroan’ny olona ny tsena tsy misy vidim-pidirana mivarotra ny entana ilaina amin’ny fety. Maro mpividy amin’izany ny karazana vatomamy isan-karazany, ny haingon-trano, ny kilalao ho an’ny ankizy, ny ankajo fitafy hiomanana amin’ny fety. Mankalaza ny […]
Rivodoza Chido : Tsy hahakasika mivantana an’Antsiranana I
Manohy ny diany mianandrefana amin’ny hafainganam-pandeha 20 km isan’ora ilay rivodoza mahery vaika Chido, araka ny filazana manokana momba ny rivodoza. Omaly tamin’ny 3 ora tolakandro, tany amin’ny 488 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foibeny. 210 km isan’ ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina […]




