Fiaraha-monina

Fanabeazana : Nitondra tohana ny avy amin’ny Unesco

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèlle, ny talem-paritry ny Unesco aty Afrika Atsinanana, Haxthausen Louise. Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fanatsarana hatrany ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara ny roa tonta. Nanolotra fitaovana informatika, nahitana solosaina miaraka amin’ny fitaovana fitehirizana antontan-drakitra entina hanatanterahana ny asa eny anivon’ny minisitera sy […]

Midina ny rano : Miverina amin’ny tranony tsikelikely ny traboina

Efa midina be ny rano amin’ny toerana iva eto Antananarivo taorian’izay andro maromaro tsy nisian’ny ora-mikija izay.Mody tsikelikely ireo traboina Efa miverina any an-tokantranony tsikelikely ireo traboina. Mamonjy ny akany izay tsy maintsy nilaozana rehefa dibo-drano tsy azo niainana. Toy ny eny Ampefiloha Ambodirano, efa tsy misy traboina intsony ny […]

PAM : Solontena vaovao i Tania Goossens

Tania Goossens no solontena vaovaon’ny fandaharanasan’ ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam) eto Ma­da­­ga­sikara. Nanolotra ny taratasy manendry azy amin’izany andraikitra izany tamin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ny tenany tamin’ity herinandro ity, teny Anosy. Efa niasa teo anivon’ny Pam tany Guatemala sy Pérou izy momba ny fiahiana ara-tsakafo […]

Fanamarihana ny Andron’ny vehivavy: Hotokanana ny ivontoerana any Mahajanga

Nitondra fanazavana ma­hakasika ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izay hotanterahina any Mahajanga ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, omaly, tetsy Ambohijatovo. Fitovian-jo sy fizakan-tena ho an’ny vehivavy no lohahevitra hovoizina amin’ity taona ity. Eo ambany fiahian’ny va­din’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy, ny fankalazana rehetra hatao. […]