Sakafo feno, mahavelona, ny atody nefa mbola ambany ny tahan’ny fihinanana azy eto amintsika. Manomana hetsika hanomezana lanja ny vokatra mandritra ny hateloana ny fikambanana 2A any amin’ny 37 km miala ny Renivohitra, ao Antanetibe Mahazaza. Eto Madagasikara, mihinana atody 20 isan-taona ny olona iray, raha atody 200 isan-taona ho […]
Fiaraha-monina
Tale Jeneralin’ny CNaPS : « Tanjona ny hamerina ny fahatokisana »
Notanterahina, omaly, teny amin’ny CNaPS Ampefiloha, ny famindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneraly mpisolo toerana, Tsaboto Joslina, sy ny tale jeneraly vaovao, Rahaingonjatovo Vimbina. Nanatrika izany Razafimanatsoa Jerison, Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny lalàna sosialy sy Randrianasolo José, talen’ny filankevi-pitantanan’ny CNaPS ary ireo solontenan’ny mpiasa. “Laharam-pahamehana ny […]
Maître Olivia Razafindrahasy : « Tsy fahefan’ny mpisolovava ny manakana ny asan’ny vadintany… »
Niharan’ny herisetra ny vadintany nandritra ny fanatanterahana didim-pitsarana, teny Isotry, ny sabotsy teo. Mpisolovava iray no voalaza ho nampiasa hery taminy. Teny fanambaniana miharo herisetra no nataon’ny mpisolovava iray tamin’ny vadintany nanao ny asany. «Misy mpisolovava sasantsasany miseho ho ambonin’ny lalàna. Asanay ny manatanteraka didim-pitsarana. Tsy fahefan’ny mpisolovava mihitsy ny […]
Kaominina Tsifota : nampiakatra ny vidin’ny trondro ny fisian’ny toeram-pitahirizana
Nanampy ny mpanjono ao amin’ny kaominina Tsifota, distrikan’i Toliara II, amin’ny fitahirizana ny vokatry ny ranomasina azon’izy ireo ny fanavaozana ny toeram-pitahirizana ao an-toerana, vita ny taona 2022. Mivondrona ao amin’ny fikambanana Firaisantsoa ireo mpanjono ary manefa hetra any amin’ny kaominina. «Nitondra fivoarana ny fahaveloman’ny toeram-pitahirizana satria niakatra ny vidin’ny […]
Tsy mety mifarana : hanamafy ny fitakiany ny Seces
Manantena ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sampana Antananarivo (Seces) fa ho tafiditra amin’ny lahadinika mandritra ny filankevitry ny governemanta any Toamasina, anio, ny fitakian’izy ireo. Hivory indray ny mpikambana rahampitso hijerena raha namaly ny fanjakana. Hanamafy ny hetsika fitakiana ny mpampianatra rehefa manao bemarenina ny fitondrana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny sendikà, […]