Fiaraha-monina

Famongorana ny herisetra atao amin’ny vehivavy : Mampitovy fomba fijery ny mpanao gazety 67 aty Afrika

Manana andraikitra mahakasika ny famongorana ny herisetra atao amin’ny vehivavy ny mpanao gazety. Misy ny fivoriam-paritra momba izany atao any Dakar Sénégal, mandritra ny telo andro, izay hifarana anio. Nanomboka ny alarobia lasa teo, any Dakar Sé­négal, ka haharitra hateloana ny fivoriam-paritry ny mpanao gazety aty Afrika momba ny famongorana […]

Akademia Miaramila Antsirabe : Naseho ambany faneva ny andiany faha-47

Notanterahina tao amin’ny place d’armes de la Garnison d’Antsirabe, ny zoma 29 no­vambra teo ny fanehoana ambany fanevan’ireo mpianatra ho manamboninahitra andiany mivantana faha-47. Nahavita ny sedra sy ny fataizana amin’ny maha miaramila nandritra ny telo volana izy ireo. Nanome voninahitra ny lanonana ara-miaramila ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny […]

Antsampanana Brickaville : Mirongatra izaitsizy ny fanolanana

Kaominina ahitana trangana fanolanana matetika ny kaominina Antsampanana Brickaville RN2. Voaporofon’ny antontan-taratasin’ady telo mahakasika fanolanana izay niakatra tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly izany. Voalohany ny antontan-taratasin’ady laharana faha 50-Toa/24 hanenjehana an’i Todizara Eric noho izy tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy 8 taona ny 01 […]

INDRAY MIJERY

70 ny antontan-taratasy fangatahana hampianatra eny amin’ny fampianarana ambony amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina, izay hodinihin’ny vaomiera roa : Commission de Référence pour les Formations en Méde­cine (CRFM) sy ny Commission Nationale d’Habi­li­ta­tion (CNH) eny anivon’ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hiandraikitra ny dingana voalohany ny CRFM izay […]