Efa any Etazonia ny kaomisera Harinaivo Fanomezantsoa Andrianirina, voafantina handray anjara amin’ny “International Visitor Leadership Program” (IVLP). Hiompana amin’ny ady amin’ny fitrandrahana sy ny fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary izy. Mandritra ity volana jolay ity ny kaomisera Andrianirina, hitsidika tanàna maro any Etazonia, anisan’izany i Washington, D.C., Baltimore, Denver, Portland, […]
Fiaraha-monina
Departemantan’ny filaminam-bahoaka : Nanabe hisorohana ny fandikan-dalàna, nandritra ny enim-bolana
Nandrefy ny dingana vita ho an’ny enim-bolana voalohany, ho an’ity taona ity, ny departemantan’ny filaminam-bahoaka, izay sahanin’ny minisitra, ny inspecteur général de police, Erick Michel Wouli Soumah Idrissa. Anisan’ny nimasoana voalohany ny lafiny fanabeazana satria ny polisim-pirenena tsy natao ho mpanasazy fotsiny ihany fa mpanabe ny olom-pirenena koa ho fisorohana […]
INDRAY MIJERY
Nanomboka omaly, manerana an’i Madagasikara, ny fanadinana hahazoana ny mari-pahaizana Brevet d’études professionnelles (BEP) sy Certificat de fin d’apprentissage (CFA). Tao amin’ny LTP Ampefiloha no nanatanterahana ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy izany. Nitarika izany ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa, niaraka tamin’ireo minisitra roa misahana ny fampianarana. […]
Tsy fanajana ny fahadiovana : Hiafara amin’ny fanakatonana tsena
Tsy mitsitsy intsony ny fiadidiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fampanajana ny fahadiovana amin’ny toerana rehetra. Voakasik’izany ny fahadiovan’ny tsena. Fanasaziana hentitra no hihatra amin’ireo mpivarotra sy tomponandraikitra tsy manaja ny fahadiovana. Raha miverimberina ny tsy fanajana izany, mety hofoanana mihitsy ny fahazoan-dalana hivarotra eo amin’ny toerana misy azy. Araka […]
Fisorohana ny Mpox : Tonga ny vaksiny 30 000 fatra
Tonga ny alahady teo ny vaksiny miaro amin’ny Mpox. Imvanex no anarany ary eo amin’ny 30 000 fatra eo no azo, izay mahavita hatramin’ny 150 000 olona raha mizara. Tafiditra tsy misy anavahana amin’izany ireo efa nahavita fatra voalohany hanao fatra faharoa. Haparitaka manerana ny Nosy ity vaksiny ity, ary […]




