Nanatanteraka atrikasa tany Fianarantsoa ny Vovonan’ny Firaisamonim-pirenena. Ho fanomanana ny fihaonambe na « Convention Nationale n°4 », hotanterahina ny volana novambra ho avy izao. Notanterahana tao Fianarantsoa, nandritra ny roa andro, tamin’ity herinandro ity, ny atrikasa fanombanana, fanaingana, sy fanamafisana ny rafitry ny Plate-forme nationale des organisations de la société civile de […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Manatanteraka ny fanadinana bakalorea andrana na “Examen blanc” ny eny amin’ny Lycée amin’izao fotoana. Dingana hahafahan’ny mpianatra mitsapa ny fahaizany sy miaina sahady ny fiaimpiainam-panadinana. Saika efa vita avokoa ny fandaharam-pianarana ka ny famerenana no atao matetika mandra-pahatongan’ny fotoam-panadinana. Ankoatra ny fanadiovana ataon’ny fanjakana ireo toerana maro amin’izao fotoana, tokony […]
Fampiakarana haba nataon’i Etazonia : Hijery ireo mpiasa ahina ho very asa ny fanjakana
Mby an-koditra ny hahavery asa analiny, taorian’ny fampiakarana haban-tseranana 47% nampiharin’i Etazonia. Miezaka mitady vahaolana ny fanjakana ka nihaino ny vondron’ny orinasa afakaba (GEFP), tarihin’ny filohany, i Béatrice Chan Chin Yiu. Noraisin’ny minisitry ny Asa, Razakaboana Hanitra, tetsy 67ha, izy ireo, omaly. Fantatra fa ao ireo nampitsahatra ny fanondranana. Mbola […]
Tetikasa Produir : Hojerena ny momba ny fako
Fanamby lehibe miandry ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina ny fikirakirana ny fako. Tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa Produir, nankinin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) amin’ny vondrona Artelia/Phoenix /Artelia Madagascar izany. Eo ny fanaovana fikarohana sy fanomezana tantsoroka amin’ny tetikady momba ny fikirakirana ny fakon’Antananarivo sy ny […]
Tetikasa “Oriente Jeunes” : Tranonkala hitarika ny tanora hisafidy ny fiofanana sahaza azy
Manohy ny ezaka amin’ny fanentanana ireo tanora hiofana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa. Napetraka ny tetikasa “Oriente Jeunes” izay tohanan’ny Unesco amin’ny alalan’ny fandaharanasa “Better Education for Africa’s Rise (BEAR 2)”. Ho fampahafantarana ny rehetra momba ny fanofanana sy ny fidirana amin’ny sehatry ny fampianarana teknika sy […]