Tratra teo am-pibatana ny panneau solaire avy nangalariny indray ny jiolahy iray mpamerin-keloka teny Ankadindratombo, afakomaly. Vao nivoaka ny fonja izy kanjo niverina nanohy ny asa ratsiny indray… Tsy mety fay sa maivana loatra ny sazy ? Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Alasora, afakomaly, indray ny jiolahy iray […]
Fiaraha-monina
INDRAY MIJERY
Tonga eto Madagadikara ireo mpitsabo avy any Turquie, izay avy amin’ny fikambanana mpanao asa soa Hands Giving Lives. Izy ireo izay tonga hifampizara traikefa sy hanatanteraka fandidiana maimaimpoana, mandritra ny fotoana ivahinianany eto. Hiasa ao amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka izy ireo. Tafiditra anatin’ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny hopitaly ihany koa […]
Fampisakafoana an-tsekoly: mpianatra 400 000 fahanan’ny Pam
Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam). Amin’ity taom-pianarana 2024-2025 ity, mpianatra miisa 400 000 no hisitraka sakafo mafana an-tsekoly. Avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany miisa 1250 ao amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana ary ny anivon-tany no hanatanterahana izany. Anisan’ny mampirisika ny ankizy handeha […]
Minisiteran’ny Mponina : nomena fanampiana ireo mpiasa
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fidiran’ny mpianatra ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Nisitraka tolotra fanampiana, araka izany, ireo mpiasam-panjakana misehatra eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, omaly. Nahitana fitaovam-pianarana kahie 200 sy 100 pejy ho an’ny zanaky ny mpiasa ny tolotra. Ao koa ireo kojakoja madinika ilaina amin’ny fianana […]
Mitohy ny fitsirihana: mila fantarina ny fanafody hositrahina maimaimpoana
Zava-dehibe ny fahafantaran’ny rehetra ireo karazam-panafody maimaimpoana eny amin’ny CSB. Ialana amin’ny fanambakana sy fanararaotana ny mangarahahara momba izany. Manohy ny fitsirihana atao amin’ireo fivarotam-panafody ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Nampahatsiahy fa voararan’ny lalàna ny fivarotana ireo fanafody maimaimpoana amin’ny fandaharanasan’ny fahasalamana laharam-pahamehana. Nitanisa ny lisitr’ireo karazam-panafody tsy azo amidy fa tokony […]




