Fiaraha-monina

toliara : misongadina ny vehivavy

Nisongadina nandritra ny fakan-kevitra, natao tany To­liara, ny anjara toeran’ny ve­hivavy amin’ny sehatry ny fampandrosoana. Manaporo­fo ny fanadihadiana nataon’ny minisiteran’ny Mponina fa ny vehivavy no tena fanoitra ho amin’izany. Sady manana fa­ha­matorana amin’ny fitantanam-bola no mahomby amin’ny fitehirizam-bola izy ireo raha miohatra amin’ny lehilahy. Nahitana izany ny fanaraha-maso taorian’ny fizarana […]

Fadimbolana : hamafisina ny fifampiresahana eo amin’ny mpianaka

Nankalazaina ny faran’ny herinandro teo ny Andro maneran-tany ho an’ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana. Nanatanteraka izany teny amin’ny paroasy Anosy avaratra sy Ambohitsoa ny fikambanana fanilon’i Mada­ga­sikara, eto Antananarivo. Tanjona ny hampahafantarana ny rehetra fa ilaina sy zava-dehibe ny fahatongavan’ny fadimbolana, ary ny fahadiovana mandritra izany eo amin’ny ankizivavy. Mbola […]

Autiste : azo ampisaina ny fihetsika

Nijanona teto Madagasi­kara nandritra ny iray volana sy tapany ny orthophoniste belge sady mpampiofana, Dominique Ruidant. Nanao fifampizarana ny fomba fifaneraserana amin’ny alalan’ny fihetsika (sesame) amin’ny olona hafakely izy, hoy ny tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny Autisme Madagas­car, Ravelonarivo Mihanta. Miainga amin’ny fampiasana ny tenin’ny tanana izany. Fanehoana sy fizarana […]

Faritra Sofia: notohanana ara-pitaovana ireo tomponandraikitra eny ifotony

Nahazo ny fitaovana mifanaraka amin’ny andraikiny avy ireo mpitantana eny ifotony sy ny hery mampihodina ny fiainam-bahoaka ao amin’ny faritra Sofia. Nizara fitaovana maro ho an’ny mpitantana eny ifotony ao Sofia ny fitondram-panjakana, ny faran’ny herinandro teo. Nitarika ny delegasiona tany Boriziny ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy […]

Issouf Ben Assoumacou : notsaroan’ny Akademia Malagasy

Tontosa, omaly, teny Tsimbazaza, ny fivoriambe iombonan’ny Akademia Malagasy. Fotoana nahatsiarovana ireo mpikambana efa maty teo anivon’ny fikambanana. Anisan’ny notsarovana manokana tamin’izany, ny Filohan’ny sampana tao Mahajanga, Issouf Ben Assoumacou. Marihina fa teraka ny 26 Marsa 1949 tany Morafeno, Mahajanga izy. Nodimandry ny 16 oktobra 2022. Notantaraina, nandritra izany, ny tantaram-piainany. […]