Tafiditra ao anatin’ny sokajin’olona marefo ny ankizy sy ny olona manana fahasembanana ary ny reny bevohoka. Hisahana azy ireo ny tetikasa “Zara Mira” izay hizara tohana manokana. Hotanterahina ao amin’ny kaominina Itampolo, anio, ny fisantarana ny tetikasa “Zara Mira” ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Ankizy manodidina ny 65.000 no heverina […]
Fiaraha-monina
Tohanan’ny Masoivoho Amerikanina : miaramila 41 nandalina ny fiteny anglisy tao amin’ny MDN
Amin’ny maha Nosy antsika, ilaina ny fifehezana ny teny anglisy, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, omaly, nandritra ny famoahana ireo mpianatra 41 mianadahy nahavita fiofanana momba ny teny anglisy… Notolorana mari-pahaizana, omaly, ireo mpianatra 41 mianadahy, nahitana sivily sy miaramila, nandalina manokana ny teny anglisy […]
Cisco Tana-Ville : hiditra amin’ny CEPE andrana faharoa ny mpiadina
Manakaiky ny fotoana hanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2023 ity. Efa eo am-panomanana izany ny ankamaroan’ny sekoly satria efa vita avokoa ny fandaharam-pianarana, raha nanontaniana. Ankoatra izay, vonona ara-tsaina sy ara-batana ary ara-pitaovana avokoa ny ankamaroan’ireo ankizy hiatrika ny fanadinam-panjakana. Nahavita ny fanadinana andrana andiany voalohany avokoa ireo mpiadina […]
Fokontany Antanambao Nosibe : tsy misitraka ny tamberimbidy amin’ny haba
Anisan’ny fokontany be mponina sy mamokatra ny fokontanin’Antanambao Nosibe, anatin’ny kaominina ambanivohitr’ Antetezambaro, disitrikan’ i Toamasina II. Avy ao Toamasina, 25 km manaraka ny lalam-pirenena faharoa izy. Miisa 1560 ny mponina ao aminy, izay mizara amin’ny tanàna 20 ankoatra ireo lazaina hoe Andasy na Ankapa. Tanàna mamokatra Antanambao Nosibe. Saika […]
Fanadinam-panjakana CEPE : 515 081 ireo mpiadina manerana ny Nosy
Iray volana latsaka sisa, hiatrika ny fanadinam-panjakana voalohany ny mpianatra ny 20 jona ho avy izao. 515 081 ireo mpiadina fanadinana CEPE manerana ny Nosy ka mpiadina miisa 99 amin’ireo no manana tsy fahatomombanana ara-batana. Eto Antananarivo, manana mpiadina 169 022 izay mitsinjara amin’ny ivontoeram-panadinana 572. Any Fianarantsoa, 95 573 […]