Hanomboka rahampitso ny hetsika fanaovam-baksiny miaro amin’ny aretina polio na lefakozatra, ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona. Tanterahina manerana ny Nosy izany ary haharitra 4 andro. Hidina ifotony, hitety fokontany sy isan-tokantrano ny mpanao vaksiny. Afaka misitraka izany ny zaza latsaky ny 5 taona rehetra. Manodidina ny 5 tapitrisa ireo zaza […]
Fiaraha-monina
Fividianana “seringue” : tsy ilàna taratasin’ny dokotera
Nisy fotoana, voarara ny fividianana fitaovam-panindronana na “séringue” teny amin’ny fivarotam-panafody sasany teto Antananarivo, raha tsy misy taratasy avy amin’ny dokotera (ordannance). Nampimenomenona sy niteraka fahasorenana tamin’ny mpanjifa sasany izany. Manoloana izany, nanambara ny holafitry ny farmasianina eto Madagasikara, afakomaly, fa malalaka ny fividianana izany. Voalazany fa tsy tomponandraikitra sy tsy nanana fahefana hilaza […]
Fivezivezen’ny sarety: misy toerana tsy azo aleha, handrindrana ny fifamoivoizana
Voararan’ny lalàna mihitsy ! Tsy azon’ny sarety ivezivezena ny ampahan-dalana sasantsasany eto Antananarivo. Mila hajaina izany handrindrana ny fifamoivoizana. Nampahatsiahy ny kaominina Antananarivo Renivohitra mahakasika ny fitsipika mifehy ny fivezivezen’ny sarety eto amin’ny faritra Antananarivo. Voafaritry ny didim-pitondrana laharana faha 1913-MID/ PREF.POL, tamin’ny 31 mey 2019, fa voarara ny fifamoivoizan’ny sarety amin’ny ora rehetra amin’ireo […]
Fandehanana any Etazonia : niakatra ny saran’ny visa
Nampahafantatra ny masoivohon’i Etazonia, amin’ny alalan’ny biraon’ny kaonsilary, fa manomboka ny 30 mey izao dia hiakatra 185 dolara raha 160 dolara teo aloha ny saran’ny visa mankany Etazonia ho an’ny fizahantany sy ho an’ny fianarana (NIV) tsy mifototra amin’ny fifanarahana arakasa. Ny saran’ny visa mahakasika ny asa vonjimaika dia hiakatra […]
Cisco Avaradrano : navitrika tamin’ny adina ara-panatanjahantena ny mpiadina
Nifarana omaly, ny adina ara-panatanjahantena, naharitra dimy andro, natao teny amin’ny kianjan’Andralanitra- Akamasoa, ho an’ny Cisco Avaradrano. 8279 ny isan’ny mpiadina nanatrika raha 8808 no hiatrika ny BEPC amin’ity taona ity, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco Avaradrano, Ratsimandresy Aina Nambinintsoa, omaly. 1 600 isan’andro ny mpiadina nandray anjara raha 37 […]