Fiaraha-monina

Skotisma-Afrika: handray ny fivoriam-paritra i Madagasikara, ny taona 2025

Hifarana anio, any Le Caire (Egypte), ny fivoriana iraisam-pirenena faha-43 ho an’ny skotisma, andraisan’ny fikambanana skoto malagasy anjara. Naharitra herinandro ny fivoriana, nahitana skoto 2 000, sy mpitarika avy amin’ny firenena 176, araka ny fanazavana azo. Fotoana nandraisana fanapahan-kevitra koa momba ny fikambanana sy ny lalana hitondrana ny hetsika amin’ny hoavy […]

Asan’ny PAF : Polisy 49 hiatrika fiofanana

Hanaraka fiofanana momba ny asan’ny polisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany (Paf) ireo polisy miisa 49, nanomboka omaly. Tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny fanamby napetraky ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry amin’ny fanatsarana ny tolotra sy amin’ny famaliana ny hetahetan’ireo olom-pirenena eny anivon’ny seranam-piaramanidina Ivato izany. Hifantoka amin’ny fampahafantarana ny asan’ny […]

Kaomisera Rafaliarivo Jules : « Aoka izay ny fampandosirana voafonja »

Trangan-javatra roa no natsidiky ny kaomandin’ny polisin’ny Fip Toamasina, ny Kaomisera Rafaliarivo Jules teo anatrehan’ny fivorian’ny OMC, ny alatsinainy teo nandritra ny famoriana ny sefo fokontany, omaly. Voalohany, ny tandrevaka ataon’ny mpi­an­dry fonja ka mahatonga ny voafonja tafatsoaka ary ireo voafonja tena atahorana mafy sady mpanao fanafihana mitam-piadiana. « Aoka izay […]

Fandriampahalemana – Toamasina: mikatona amin’ny 10 ora alina ny toeram-pisotroana

Tsy maintsy hatsangana ny andrimasom-pokonolona, tsy maintsy mikatona ny toeram-pisotroana rehetra aorian’ny amin’ny 10 ora alina…Santionany amin’ireo fepetra noraisina manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina… Manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana mahazo vahana ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana, tsy nijery fotsiny izany ny tomponandraiki-panjakana tarihin’ny prefet-n’i Toamasina, Benandrasana […]

INDRAY MIJERY

Niainga omaly ho any Nosy be ireo infirmiera an-jatony hiatrika ny fihaonambe ataon’izy ireo. Tanterahina manomboka ny 23 aogositra hatramin’ny 25 aogositra izao ny hetsika. 8 volana izay no nitantanan’ny birao ny holafitry ny infirmier, ankehitriny. Nisongadina tamin’ireo asa vitan’izy ireo ny famolavolana ny code de déontologie sy ny fanatsarana […]