Hatsangana tsy ho ela ny fotodrafitrasa «Trano ho an’ny tanora» eny amin’ny kaominina ambanivohitra Antanetibe-Mahazaza, ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Tetikasa karakarain’ny “ONG Le Lémurien de Madagascar” eny an-toerana. «Tanjon’ny fikambanana ny hanampina ny tanora mba hahay hivelona amin’ny zava-misy ao aminy fa tsy hifindra monina any amin’ny toeran-kafa», hoy ny filoha […]
Fiaraha-monina
Tetikasa Asa Avotra Mirindra : tokantrano 117.000 manatsara ny famokarana
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Haraton’Aina ny Asa Avotra Mirindra. Tokantrano 117.000 amin’ ny faritra 11 sy distrika 23 ary kaominina 206 no misitraka izany. Mampihatra ny fomba fambolena sy fiompiana moderina sy haingam-pitombo ny 60%-n’ireo misitraka. Mahatratra 1.100 ha ny velarantany nohatsaraina sy nampidirana rano ka hahafahan’ireo tantsaha mamboly sy […]
Nihena ny mpanjifa: niakatra 10% ny vidin-tsakafo masaka
Nihena ny isan’ny mpihinana isan’andro eny amin’ny toeram-pisakafoana noho ny fiakaran’ ny vidiny. “Tsy maintsy nampiakarina izany ialana amin’ny fatiantoka.”, hoy ny mpivarotra. Niakatra ny vidin-tsakafo eny amin’ny toeram-pisakafoana eto an-drenivohitra tao anatin’ny herinandro maromaro. Antony, lafo ny akora fototra. 5 ka hatramin’ny 10% ny fiakarana, arakaraka ny toerana sy […]
Rafanomezantsoa Jean Nirina: « Be loatra ny antoko politika eto amin’ny firenena… »
“Henjana ny fifampihantsiana ara-politika eto Madagasikara. Ny fanaovana fifanarahana politika ihany no vahaolana ialana amin’izany ka zaraina telo mazava : ny afaka hofidiana dia ny mpomba ny fitondrana, ny mpanohitra ary ny hery afovoany”, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana […]
Fiahiana sosialy : horesahina ny mikasika ny RSU
Tanterahina any amin’ny faritra Atsinanana nanomboka omaly, ny hetsika “Iray volan’ny fiahiana sosialy”, karakarain’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy. Hiompana amin’ny lohahevitra maro ny lahadinika, ka horesahina anio, ao amin’ny Academy Centre ny mikasika ny “Régistre Sociale unique” na RSU. Fitaovana iray manan-danja mirakitra […]