Fiaraha-monina

Fondation Axian-First Immo : notokanana ireo trano vaovao 20 eny amin’ ny Akamasoa

Notokanana ny faran’ny herinandro teo, ny trano vaovao miisa 20, eny amin’ny Akamasoa, Mangarivotra. Toerana fandraisana ireo fianakaviana tsy manan-kialofana. Fiaraha-miasa amin’ny Fondation Axian sy ny First Immo ary ny Akamasoa no nahavitana izany. Tafiditra ao anatin’ny andiany faharoa amin’ilay fandaharanasa Tafontsika ireo trano vaovao 20, ho an’ny fianakaviana sahirana ireo. […]

Faritra Atsinanana : mpampianatra 496 tafiditra mpiasam-panjakana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny lycée Jacques Rabemanan­jara, ao Toamasiana. Lisea lehibe indrindra eto Mada­gasikara, ahitana mpianatra eo amin’ny 4000 eo ho eo. Nanatrika ny lanonana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèlle. Nandritra ny fotoana, ni­zarana taratasy fifanarahana arakasa ireo mpampianatra andiany fahasivy, voaray ho mpiasam-panjakana. Miisa […]

Toamasina : niteraka fandratrana ilay kapa lamaody

Anisan’ny mampidi-do­za ny ankizy mpianatra matetika ny fanaovana ireny kapa fitondran’ny mpiasan’ny fa­hasalamana ireny. Vokany, nandray ny andraikiny ny teo anivon’ny CEG, Radama I, fokontany Tana­makoa ao Toamasina, tamin’ny herinandro lasa iny. Nampo­diana niverina tany amin’ny ray aman-dreniny ireo ankizy rehetra nanao ireny. No­sakanana vao ma­raina teo ambavahadin’ny sekoly mi­hi­tsy […]

Tsy ampy ny mpampivelona: 10 isan’andro ny vehivavy bevohoka maty

10 isan’andro ny vehivavy maty eo am-piterahana na eo am-pitondrana vohoka noho ny tsy fahampian’ny mpampivelona. Mpampivelona 2,5 no miahy vehivavy 10000 isa eto Madagasikara. Nifampizara fahalalana tamin’ny mpanao gazety ny fikambanan’ny rasazy, omaly, teny amin’ny foiben’ny Nations Unies, Andraharo. Fihaona­na nokarakarain’ny UNFPA (Agence des Nations Unies pour la santé […]

covid-19 : misy tranga vaovao 19

Mbola hita eny anivon’ny fiarahamonina ny valanaretina covid-19. Manaporofo izany, indrindra ny tatitra navoakan’ ny minisiteran’ny Fahasa­lamam-bahoaka, satria nahitana tranga vaovao 19 indray tao anatin’ny herinandro farany. Mitontaly 26 kosa ireo mitondra ny aretina. Midika izany fa tsy mbola foana velively ity aretina ity. Miaina miaraka amin’ny fiarahamonina eny ka […]