Fiaraha-monina

Faritra Atsinanana: 34% ny taham-panaovana vaksiny

Ampy ho an’ny distrika rehetra mandritra ny taona ny vaksiny ao amin’ny tobim-baksinin’ny faritra Atsinanana, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra misahana ny an­tontan-kevitra, Rahari­ma­na­na Honoré. Nahatratra 34% ny tahan’ny fanaovam-baksiny amin’ny ankapobeny ao an-toerana. Ho an’ny vaksiny miaro amin’ny aretina covid-19, anisan’ny be mpampiasa ny Janssen. 84% kosa ny tahan’ny fanaovam-baksiny […]

Hépatite B : areti-mandoza sy mamono mangina

Hotanterahina tsy hoela eto Madagasikara ny tetikasa ha­hafahana miady amin’ny aretina hépatite B. Karakarain’ny fikambanan’ny mpitsabo amerikanina, mivondrona ao amin’ny fikambanana “hépatitis B free”. Vinavinaina haharitra 3 taona ary hahiditra ao amin’ny tetikasan’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona ny hahafahana miady amin’ny fiparitahan’ny aretina maneran-tany. “Areti-mandoza, mahafaty, mamono mangina ary mora mifindra […]

Fitaovana ara-pahasalamana : 4,5 miliara Ar ho an’ny faritra dimy avy amin’ny Usaid Impact

Mitaky maripana, manaja ny fenitra takina ny fitehirizana ny vaksiny. Nahazo fitaovana arifomba avy amin’ny governemanta amerikanina i Madagasikara hanampy ireo efa amperinasa amin’izao fotoana. Nanolotra fitaovana arifomba ho an’ny fitehirizam-baksiny, mitentina 4,5 miliara Ar, ho an’i Madagasikara ny governemanta amerikanina. Amin’ny ala­lan’ny USAID Impact no naaovana izany ka tanterahin’ […]

Kaominina Fenoarivo : olona maro mitaky ny hamerenana ny taniny

Nanao hetsika fitakiana ny hamerenana aminy ny taniny ireo mponina mahatsiaro ho tratran’ny tsindry hazolena etsy amin’ny kaominina Fe­noarivo, omaly. Tokantrano 200 mahery izy ireo no milaza ho tompon’ny tany sy efa nanajary izany. Tany mirefy 23ha mahery no nalaina tamin’izy ireo an-keriny, raha ny fanazavan’ny lehiben’ny fo­kontany ao Ambohijatovo […]

Ady amin’ny fiparitahan’ny tsaho : afisy fanentanana 900 apetaka amin’ny fiara fitaterana

Resy lahatra ny kaoperativa fitaterana valo: Ambi­nintsoa, Fifafima, Kofitama, Komafila, Kofimi, Malakia, Kofitam ary Kofimanga, anatin’ny tetikasa Rooted In Trust 2.0 Madagascar, amin’ny maha zava-dehibe ny fanentanana ny olom-pirenena amin’ny loza ateraky ny fanjifana vaovao tsy marina momba ny Covid-19 sy ny fahasalamana amin’ny ankapobeny. Nanaiky maimaimpoana izy ireo hampiasana […]