Maromaro ny hetsika nokarakaraina hampisehoana ny talentan’ny vehivavy malagasy amin’ ny sehatra samihafa ho fanamarihana ny Andro ho an’ny fampivoarana ny zony. Niatrika ny fifaninanana mahandro tetsy amin’ny zaridainan’Anosy ireo vehivavy miavotse avy amin’ny faritra 23, nokarakarain’ny fikambanana Fitia, omaly. Tonga nitsidika ny famoronana sakafon’izy ireo sy nanolotra loka ho […]
Fiaraha-monina
Tao anatin’ny herinandro : namono olona ny Covid-19
Ny herinandron’ny 5 febroary hatramin’ny 3 marsa teo, olona iray no matin’ny Covid-19, raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam- bahoaka. Nahitana trangan’ aretina vaovao miisa 24 ihany koa voamarina teny amin’ny tobim-pahasalamana. Nahatratra 1.190 ireo natao fitiliana rehefa nahiahiana ka ireo 24 ireo no voaporofo fa voan’ny Covid-19. Tsy mbola […]
Fampiasana fanafody : nodinihina tany Maroc, ireo mety ho vokatra tsy irina
Ny 2 sy ny 3 marsa teo, nandray anjara tamin’ny fifanakalozan-kevitra eo anivon’ i Afrika tany Rabat, Maroc i Madagasikara. Niompana tamin’ny fanaraha-maso ny vokatra tsy irina azo avy amin’ny fampiasana fanafody ny adihevitra. Tafiditra ao anatin’ny fanaraha-maso ny vokatra tsy irina azo avy amin’ny fampiasana fanafody ny siansa sy […]
rivodoza freddy : miha manalavitra ny morontsiraka atsimo
Tany amin’ny130 km atsimo andrefan’i Toliara no misy ny foiben’ny rivodoza Freddy, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. 90 km isan’ ora ny herin’ny rivotra hoentiny ary tafiotra hatramin’ny 125 km isan’ora. Mianandrefana somary atsimo andrefana ny diany amin’ny hafainganam-pandeha 5 km isan’ora. “Raha ny fizotrany dia manalavitra miadana ny morontsiraka […]
Takaitran’i Freddy : olona 4 namoy ny ainy, rava ny rindrin’ny fonjan’i Toliara
Mafy ny takaitran’ny rivodoza Freddy na tsy niditra an-tanety aza izy fa nanakaiky ny sisin-tany tany atsimon’ny Nosy. Mbola hitohy hatramin’ny zoma izao ny orambe ka mila mailo hatrany, indrindra ireo amin’ny faritra iva sy ny avo. Niakatra ho olona 4 ny namoy ny ainy vokatry ny orambe sy ny […]