Fiaraha-monina

Razafimahefa Julien, neurologue interniste, CHU JRB Befelatanana: “Aretin’ny atidoha miseho amin’ny fiverimberenan’ny fanintona ny androbe”

Nanokana iray volana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka iadiana amin’ny aretina androbe nanomboka ny 13 febroary lasa teo. Mitondra fanazavana momba ny aretina androbe sy ny fomba fisehony ary ny fitsaboana ny dokotera neurologue interniste iray, neurologue miasa ao amin’ny sampam-pitsaboana neurologie ao amin’ny CHU JRB Befelatanana, Razafimahefa Julien. Gazety Taratra (*): […]

Fiantsonana : havaozina isan-taona ny an’ny taxi sy olon-tsotra

« Tsy maintsy havaozana isan-taona ny toeram-piantsonana rehetra na ho an’ny taxi na ho an’ny olo-tsotra eto Anta­nanarivo », hoy ny tale jeneralin’ny orinasa monisipaly misa­hana ny fitantanana ny parking (SMGD), Andriamananony Thierry, raha nanontaniana teny Analakely, omaly. Voakasik’ izany fanavaozana izany, ny fampihenana ireo fiara afaka miantsona eny amin’ny toerana voatondro. […]

Fifamoivoizana eto Antananarivo: manamafy ny fandaminana ny polisy monisipaly

Mitohy hatrany ny fandaminana ny fifamoivoizana sy fanalana ireo mpivarotra tsy ara- dalàna ataon’ny polisy monisipaly… Nanamafy ny asa fandaminana efa fanaony andavanandro ny polisy monisipaly amin’izao fotoana izao. Ambohijatovo, Antanina­renina, Behoririka, Anosy ary Analakely manoloana ny Lycée Rabearivelo, ny toerana be olona sy ahitana fitohanana no tena hanaovana izany […]

Peace corps Madagascar : mpilatsaka an-tsitrapo 23 tonga hiasa

Mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina na Peace corps miisa 23 mianadahy indray no tonga manatevin-daharana ireo namany. Tonga omaly teto amintsika izy ireo hian­tsehatra amina karazana asa sosialy any amin’ireo toerana tena mila izany. Hiatrika fiofanana momba ny teny sy ny kolontsaina mandritra ny 12 herinandro izy ireo mialohan’ny hiparitahany any amin’ny […]

Fampiarahana ny fianarana sy ny asa : hampiharina amin’ny taom-pianarana 2023-2024

Vinavinaina hampiharina eto amintsika manomboka amin’ny taom-pianarana 2023-2024 ny fampiarahana ny fianarana sy ny asa (ATE) ao ana­tin’ny fandaharanasa « Jeunesse Malagasy compétence-tra­vail » (JMCT) tohanan’ny go­vernemanta kanadianina sy ny oniversite Trois Rivières ary ny AUF. Novoriana ny sekoly hampiharana ny ATE sy ny minisitera voakasika ary ny sehatra tsy miankina handray […]