Nanao fanambarana fanairana ireo fikambanan’ny mpianatra mivondrona ao amin’ny Mafami (Mpianatra Ambaratonga ambony avy amin’ny Faritanin’Antananarivo Miray) eny Ankatso II, omaly. Mpianatra avy amin’ny faritr’i Bongolava, Itasy, Vakinankaratra ary eto Analamanga izy ireo. Nitaky ny hanavaozana ny lisitry ny mpianatra manao fangatahana hahazo ny trano fonenana vaovao eny amin’ny cité […]
Fiaraha-monina
Rooted in Trust: miady amin’ny fiparitahan’ny tsaho momba ny Covid-19
Nampahafantarina omaly ny ady amin’ny fiparitahan’ny tsaho sy ny vaovao diso mikasika ny valan’aretina Covid-19, notanterahin’ny tetikasa Miorim-paka amin’ny fahatokisana na ny Rooted in Trust (Rit 2.0). Maro be ny karazana tsaho niely niteraka tsy fifampitokisana, tahotra sy ahiahy ary fisalasalana teny anivon’ny fiarahamonina mikasika ny valanaretina Covid-19 tao anatin’izay […]
Fiofanana any Chine : hanainga ny andiany voalohany
Milamina ny fandehanan’ny atleta malagasy hiofana any Chine. Tapaka fa hanainga, ny 16 febroary izao, ny andiany voalohany, ahitana ny avy eo anivon’ny taranja atletisma sy ny mpibata fonjamby. Hanaraka azy ireo ny 17 febroary kosa ny andiany faharoa, ahitana ny avy eo anivon’ny taranja Badminton sy ny tenisy ambony […]
Fitaovam-piadiana miparitaka : nosavain’ny polisy ireo toeram-pilanona rehetra
Manoloana ireo basy sy fitaovam-piadiana ampiasain’ny jiolahy manao ny asa ratsiny any Toamasina. Nidina ifotony teny amin’ireo voalaza fa anisan’ny faritra mena ny polisim-pirenena any an-toerana, ny alahady lasa teo. Nitarika izany ny kaomisera Rakotovao Jean Christian sy ny mpiara-miasa aminy. Nijery ny toerana voalaza fa fialokalofan’ny jiolahy rehetra izy […]
Andron’ny mpifankatia : samy nanana ny fankalazana
Isan’andro ny fetin’ny mpifankatia. Fa nanao hetsika fahatsiarovana amin’ny maha fankalazana izany ireo mpifankatia nanontaniana. “Nanomana fanomezana ho ahy ny vadiko vao nifoha maraina”, hoy i Toky. Nilaza izy fa tsy nanam-po izany fihetsika nataon’ny vadiny izany. “Tsara ny fitia mifamaly ka noentiko tany amin’ny toeram-pisakafoana iray ny vadiko mba […]