Fiaraha-monina

Andavamamba : nitondra fanampiana ny BNGRC

Tsy niandry ela fa taorian’ny haintrano niseho teny Andavamamba-Anatihazo II, ny faran’ny herinandro teo, efa tonga teny amin’ilay toerana nisy ireo trano may ny ekipan’ny BNGRC, notarihin’ny Tale jeneraliny, Elack Olivier Andriakaja, nijery ifotony ny fahavoazana sady nitondra fanampiana vonjy ranovaky ho azy ireo. Vary, menaka,voamaina, lamba firakotra sy fitafy […]

CHU HJRA : fanamby ny fanasarahana ireo kambana miraikitra

Dingana lehibe, fanamby, teo amin’ireo Malagasy dokotera manam-pahaizana ny fandresena tamin’ny fandidiana natao tamin’ ireo zaza kambana niraikitra, Tahinjanahary sy Fanambinantsoa. Dokotera manam-pahaizana manokana miisa 22 mianadahy no nifarimbona tamin’ny fandidiana ireo kambana niraikitra, ny herinandro teo, tao amin’ny CHU HJRA. Nanano sarotra ny fandidiana satria ny fanasarahana ny hazondamosina […]

INDRAY MIJERY

Hisy ny hetsika fandidiana maimaimpoana ataon’ny CHU Andohatapenaka, ho fanamarihana ny faha-10 taonan’ny hopitaly, ny volana septambra ho avy izao. Hanomboka anio ny fizahana mialoha hahafahana manatanteraka izany. Iarahana amin’ireo vahiny avy any Turquie, mpitsabo, ny fandidiana ny aretin’ny sofina, ny orona, ny nify ary ny aty vava. Manomana hetsika […]

Fihaonambe kongresy Eokaristika nasionaly : miara-miasa ny mpikarakara sy ny fanjakana

Hotanterahina any Antsira­nana, ny 20 – 25 aogositra 2024 izao, ny fihaonamben’ny kongresy Eokaristika nasionaly sy ny Afafi-Fet. Ho avy hanatrika izany ireo tanora maherin’ny 15 000, avy amin’ny diosezy 22, manerana ny Nosy. Efa milamina hatrany amin’ny 95% ny fiomanana sy fandraisana ireo mpizaika rehetra any an-toerana, amin’izao fotoana izao, […]

TETIKASA MAHARO: 49 tapitrisa dolara niasana

Nentina nanatsara ny vokatry ny fanjarian-tsakafo tany amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Andrefana ny tetikasa Maharo, izay tohanan’ny governemanta amerikanina. Ho fiahiana manokana ireo vondrom-piarahamonina marefo amin’ireo faritra niasana nandritra ny 5 taona ny famatsiam-bola avy amin’ny USAID Madagascar. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fanjarian-tsakafo ity tetikasa ity, noho ny […]