Fiaraha-monina

INDRAY MIJERY

Tonga ny vaksiny miaro amin’ny valanaretina Mpox. Fatra 30 000 no azon’i Madagasikara noho ny tohana avy amin’ny mpiray ombon’antoka, Unicef sy ny OMS. Novokarin’ny laboratoara Bavarian Nordic ny vaksiny. Hisitraka azy voalohany ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny olona tena ahina amin’ny ambana hifindran’ny aretina. Hatramin’ny 3 marsa lasa teo, […]

Vadin’ny filoha, Randrianirina Elisa : « Fototra ho an’ny fiarahamonin’ny vehivavy »

Tanterahina etsy Maha­masina ny fampirantiana ma­nasongadina ny harena ara-kolontsaina sy ny fahaiza-mamorona ananan’ny vehi­vavy avy amin’ireo faritra 23. Hetsika natao hampahafan­tarana ny asa tanana, toy ny taozavatra sy ny zavakanto vokarin’ireo vehivavy izany. Maneho ny anjara biriky entin’ izy ireo manohana ny toeka­ren’ny ankohonana sy ny fampandrosoana ny firenena ihany […]

Minisiteran’ny fahasalamana : Nanao atrikasa ho an’ny CREC

Nanao atrikasa fanavaozana ny fandaharam-piofanana ho an’ireo mpisehatra “CREC”, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Notanterahina teto Antananarivo, nanomboka ny 04 hatramin’ny 06 marsa 2026 lasa teo izany. Atrikasa hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra rehetra manoloana ny fiatrehana valanaretina sy areti-mifindra lehibe misy eto amin’ny Nosy. Tafiditra ao anatin’izany ny fampidirana ma­zava ny fomba […]

480 ireo sembana ao Toamasina : Hifarana anio, eny Behoririka, ny tolo-tanana fanampiana

Hifarana anio, amin’ny 12 ora atoandro, ny fandraisana ny tolo-tanana (téléthon) hanangonana fanampiana ho an’ny olona manana fahasembanana traboina any Toamasina. Eny amin’ny foiben-toe­ran’ny Plateforme des fédérations des personnes handicapées de Mada­gascar (PFPH Mad) eny Be­horirika no hanaterana izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny PFPH, Radafinian­tsoa Josoa. […]

Fifindra-monina anatiny : Nahatratra 73 000 ny olona nitsoaka haintany

Natolotra omaly, teny Ano­sy, ny fanehoana ny vokatry ny asa fikarohana anatin’ny tetikasa Promic, tohanan’ny GIZ, ma­hakasika ny fiovan’ny toetr’andro eo amin’ny fifindra-monina anatiny eto Madagasi­kara. Nanatanteraka ny fikarohana ny Université des Nations- Unies (UNU-EHS). Haharitra roa andro ny atrikasa hizarana ny zava-misy momba izany sy ny vahaolana azo ampiharina […]