Fiaraha-monina

Covid-19: fanararaotana hanaovam-baksiny ny fotoana mampilamina ny aretina

Zara raha misy ny trangana Covid-19 amin’izao fotoana, raha ny salanisa navoakan’ny minisitera tao anatin’ny volana maromaro nisesy. Fotoana fanararaotana hanaovam-baksiny mihitsy izao dieny salama sy tsy misy valanaretina… Tao anatin’ny telo taona nisesy, voamarina fa nidina be ny tahan’ny fahavitrihan’ny olona tonga manao vaksiny manerana ny Nosy, raha ny […]

Andraikiba: Fiara 4×4 nifatratra tany anaty rano

Nifangaro ny tsindry hisatra sy ny hitsaka fandodona, nifatratra tany anaty rano ny fiara tsy mataho-dalana iray tao Andraikiba, nandritra ny andron’ny mpifankatia, afakomaly. Nanararaotra ny fotoana natokana ho an’ny olon-droa, niala sasatra teny amoron-drano ireto mpifankatia ireto. Nitondra fiara ny lehilahy kinanjo nifandiso ny tongony. Voahitsaka tamin’izany ny hitsaka […]

Fikarohana sy ny haivao : tokony hitondra vokatra

Notanterahina tamin’ ity herinandro ity teny amin’ny tranombokin’ny oniversiten’ An­ta­nanarivo ny atrikasa fakan-kevitra mahakasika ny politikam-pirenena momba ny fikarohana sy ny haivao (PNRI). Tanjona ny hitarihana ireo mpandray anjara fototra amin’ny fikarohana siantifika. Fikarohana atao hifanaraka amin’ny filan’ny vondrom-piaraha-monina, ahazoana vokatra azo tsapain-tanana ao anatin’ny fito taona (2023-2030). Hiantoka ny […]

Fampiarahana ny fianarana sy ny asa: hovolavolaina ny tolo-dalàna hifehy izany

Hamolavola tolo-dalàna hifehy ny fampiarahana ny fianarana sy ny asa (alternance formation emploi) eny anivon’ny sekoly teknika sy ny sekoly ambony ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétence travail” (JMCT). Ahafahana miroso amin’izany, nisy ny atrikasa niarahan’ny minisitera efatra, omaly, teny Antaninarenina ho fametrahana izany. Nahitana ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny […]

MAFAMI : havaozy ny lisitry ny mpianatra mangataka trano

Nanao fanambarana fanairana ireo fikambanan’ny mpianatra mivondrona ao amin’ny Mafami (Mpianatra Ambaratonga ambony avy amin’ny Faritanin’Antana­narivo Miray) eny Ankatso II, omaly. Mpianatra avy amin’ny faritr’i Bongolava, Itasy, Vakinankaratra ary eto Ana­lamanga izy ireo. Nitaky ny hanavaozana ny lisitry ny mpianatra manao fangatahana hahazo ny trano fonenana vaovao eny amin’ny cité […]