Fiaraha-monina

Zone de convergence intertropicale : tsy mbola ahina hivadika rivodoza, hoy ny Meteo

Tsy mbola nivadika ho rivodoza ilay tangoron-drahona roa fa arahi-maso hatrany ny fivoarany nefa ahina hitondra ambana ho an’ny tapany avaratra sy atsinanana rahafakampitso. Ho an’ny firafitra ankapoben’ny toetry ny an­dro, mitoetra ao amin’ny ranomasimbe Indianina ny “Zone de convergence intertropicale” (ZCIT) izay arahina rahom-baratra saika manerana ny tapany avaratry […]

Ambohitrimanjaka-Andranotapahina : mampidi-doza ny fanahazam-bary anaty arabe

Miakatra tsikelikely ny vary amin’iny lemaka atsimo andrefan’Antananarivo iny. Tsikaritra tamin’ity herinandro ity fa velarin’ny olo­na any anaty arabe ny vary hatapy masoandro. Feno vary ny sisin’arabe manomboka eny amin’ny sampanana Andranotapahina hatreny amin’ny tetezan’Ambohitri­manjaka. Mitomandavana ny fanahazam-bary ary mila ho rakotra ny antsasaky ny arabe andaniny sy an-kilany. Manginy […]

Minisitra Soafilira Princia : tsy mivaro-janaka ny any Ikongo

Nanao fanambarana, om­a­ly, ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy, So­a­filira Princia fa fomba entin’ireo tsy mitovy fijery politika handotoana ny fanjakana ny tsaho aely mikasika an’Ikongo. Tsy mivaro-janaka ny Ma­­la­gasy fa fomban’ny mpi­a­nakavy kosa ny mitaiza sy manatafita ny zana-kavana re­hefa misy ny fahasahiranana. Mazava ny fanambara­nan’ny komity […]

Toeram-pandraisana ny ankizy niharan’ny herisetra -CUA : 764 ny ankizy nokarakaraina tao anatin’ny enina taona

Nitombo isan-taona ny isan’ny zaza raisina an-tanana ao amin’ ny ivontoerana fandraisana ireo ankizy niharan’ny herisetra ato anatin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra miorina eny amin’ny BMH Isotry. Ny taona 2017, nahatratra 133 ny zaza nandalo tao amin’ny ivontoerana ary tafiakatra 181 ny taon-dasa, araka ny fanazavana. Ireo ankizy tsy nisy mpiahy […]