Fiaraha-monina

Baobab Energy Solutions :Hampiroborobo ny fampiasana ny angovo azo havaozina

Tanjona apetraka maneran-tany ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Maneho izany indrindra ny fiaraha-miasan’ny Baobab banque Madagascar sy ny Baobab+, amin’ny alalan’ny tolotra « Baobab Energy Solutions » (BES) omeny. Hanamora ny fiainan’ny mpandraharaha madinika sy ny tokantrano samihafa hisitraka ny fitaovana mandeha amin’ny herin’ny masoandro, toy ny vata fampangatsiahana, […]

Pam-Men: Hampahomby ny fampisakafoana an-tsekoly

Niompana tamin’ny ezaka ha­natomombanana ny fampisakafoana an-tsekoly ny dinika nifanaovan’ny minisitry ny Fa­na­beazam-pirenena, Sahon­­dra­­ri­­malala Marie Michelle, sy ny ekipa avy amin’ny Fanda­haranasam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (PAM). Nodinihina tamin’izany ny famatsiana sy ny fampitaovana ny fampisakafoana an-tsekoly ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana. Teo koa ny fampiofanana ireo tomponandraikitra amin’ny fitantanana izany, fanomezana sakafo […]

Fampianarana teknika : Hizara fifanarahana arakasa 400

Tamin’ny “poste budgétaire” (fahafahana mampiditra mpiasa) 1 000 anjaran’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho an’ny taona 2022, araka ny naoty nivoaka ny 14 oktobra 2022. Ny toerana 400 tamin’ireo, nandraisana ho mpiasam-panjakana ireo vacataires efa mpiasa teo anivon’ny minisitera ary ny 600 ambiny kosa nampidirana mpiasa vaovao. […]

Fisitrahana rano : nanolotra tobin-drano iray ho an’ny Epp Ambatobe ny Fondation HV

Olana matetika eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra Ambatobe ny fahatapahan-drano. Anisan’ny nanampy betsaka azy ireo ny tolotra tobin-drano avy amin’ny fondation HV. Nanolotra tobin-drano iray ho an’ny Epp Amba­tobe sy ny mpianatra ao aminy ny Fondation HV. Notokanana omaly, teny an-toerana, natrehin’ny tomponandraikitry ny fikambanana sy ny mpianatra ary ny teo anivon’ny sekoly izany. […]

Kaominina Ivato: Vita ny lalankely, voazara ireo karatany

Marolafy ny fotodrafitrasa no­tokanana tao amin’ny kaominina Ivato, omaly, notarihin’ny ben’ny Tanàna, Randrianari­soa Penjy. Vita ireo lalana any anelakela-trano izay tena nampijaly ny vahoaka. Navadika ho beton ireo tetezan-kazo fiampitana ary nipaka hatreny an-ta­nimbary ny fanamboarana hialana amin’ny fianjeran’ireo mpi­anatra mamonjy sekoly eny amin’ireo fokontany voakasik’izany. Tetsy andaniny, nohavaozina ihany […]