Fiaraha-monina

Andramasina: mifarimbona ny mpitatitra manamboatra ireo lalan-dratsy

Naneho firaisankina ny mpitatitra mandeha amin’iny lalan’Ambohimiadana Andramasina iny. Hifarim­bona amin’ny fanamboaran-dalana izy ireo ka nivonona amin’ny fandraisana anjara mivantana hanatsarana ny asa fitaterana, izay fiveloman’izy ireo mihitsy. Tena potika tanteraka ny ampahan-dalana eo ane­lanelan’Ambohimiadana sy Anempoka. Velon-taraina ireo mpitatitra fa sady manimba fiara no mamono antoka tanteraka satria ela […]

Raha tsy mivaly ny fitakiana: tsy hampianatra ny Seces sampana Antananarivo

Manoloana ireo fitakiana marobe nataon’ny Seces sampana Antananarivo, tsy hiroso amin’ny fidiran’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony izy ireo raha tsy vahan’ny fanjakana amin’ny ampahany ny fitakiana. Nanao fivoriambe teny Ankatso ny Seces sampana An­tananarivo, omaly. Ni­laza fa mbola tsy hiroso amin’ny fidirana ho an’ny taom-pianarana 2022 – 2023 eny […]

Ankazobe : mpangalatra akoho tra-tehaka tao anaty fisoko

Noraisim-potsiny tao ana­ty fisoko ny mpangalatra akoho iray tao Ankazobe, afakomaly. Mbola tsy nihidy ny vavahadin’ny tompontrano, nanararaotra niditra ity olon-dratsy ity. Niandry ny alina tsy hisy mpivezivezy intsony, nitsofoka tao anatin’ny tranon’akoho izy. Nangalarin’ity tontakely ity ny akoho miisa valo. Efa nofatorany tsikelikely ireo biby ireo ary niandry izay […]

Ambohimangakely : mpanao hala-boty iray nidoboka am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny alakamisy teo, ilay lehilahy tratra namaky tsenan’olona iray teny Am­bo­himangakely. Mbola karohina kosa ilay namany niray tsikombakomba taminy. Tsiahivina fa saron’ireo zandary mpanao fisafoana teo am-panaovana ny asa ratsiny ireto mpamaky trano, ny alin’ny alahady 08 janoary teo. Novakian’ireto jiolahy tamin’ny “barre à pince” […]

Nampiasa ny « puce » nangalariny: dahalo nanafika ben’ny Tanàna maty voatifitra

Nanafika ben’ny Ta­nàna, maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Vohi­mary, kaominina Ambohitsa­ra, distrikan’i Manakara ny talata 9 janoary teo. Ny alin’ny alatsinainy, niditra an-keriny tao amin’ny tranon’io ben’ny Ta­nàna ao an-toerana io ireo dahalo. Lasan’izy ireo tamin’ izany ny entana rehetra. Nam­pandre avy hatrany ny […]