Nanome vola mitentina 272 tapitrisa Ar hananganana efitrano lehibe iray mahazaka olona 100 mahery sy efitrano fianarana vaovao ny masoivoho japoney miasa eto amintsika ho an’ny sekoly ambony Institut supérieur de technologie (IST) Antananarivo hanampiana ny fahafahan’ny sekoly mandray mpianatra. «800 isan-taona ny mpianatra azo raisina hatramin’izay noho ny fahanteran’ny […]
Fiaraha-monina
Fiatrehana ny fahavatra : diovina ny lakandrano sy ny «station de pompage» rehetra
Hihena ny tondradrano. Io no tanjona amin’ny fanadiovana ny lakandrano sy ny « station de pompage » hatao eo amin’ny tanànan’Antananarivo. Antananarivo ieren-doza no tanjona. Natomboka teny Marais Masay, ny fiandohan’ ity herinandro ity, ny fanadiovana lakandrano amin’ ireo toerana ivarinan’ny rano mandritra ny fahavaratra. Notohizana tamin’ny fanadiovana ny “station […]
Tapis mohair: vidiana 20 000 Ar ny kilaon’ny volon’osy
Misedra fahasahiranana ny famokarana ny tapis mohair any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Mitantara ireo mpisehatra fa mihasarotra ny fitadiavana volon’osy. Miharatsy ny volon’ireo osy noho ny tsy fahampiana sakafo haniny sy rano sotroiny noho ny haintany mivaivay any an-toerana. Mitantara i Limbesoa, mpanenona tapis mohair ao Ampanihy, fa vidian’ny mpampiasa […]
Gripa mahery : tsy tonga mianatra ny antsasaky ny mpianatra
Mamely ny ankizy madinika ny gripa mahery. Lasibatra ireo ankizy any am-pianarana. Raha misy anankiray voan’ny gripa dia mifindra amin’ny ankamaroan’ireo mpianatra izany. Manomboka tsy mianatra tsikelikely ny ankizy. Tonga amin’ny fanaviana ka mitarika ny ankizy tsy afaka manohy mianatra anaty fotoana elaela. Saika ny antsasaky ny kilasin’ireo ankizy madinika […]
COVID 19: mila averina ny arovava orona
Nanambara ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, profesora Randriamanantany Zely fa manoloana ny fiakaran’ny isan’ny olona mitondra ny tsimokaretina Covid-19 tao anatin’ny herinandro maromaro farany, tokony handray ny fepetra mifandraika aminy ny tsirairay. Tsy mbola natsahatra ny fepetra sakana hiarovana amin’ny fiparitahan’ny Covid-19 fa nankinina tamin’ny fahendren’ny isam-batan’olona ny fampiharana izany. Hiditra […]