Fiaraha-monina

Fanabeazana ara-pananahana: tsy manaiky ny naoty navoakan’ny minisitera ny depiote

Mitsipaka ny naoty, mahakasika ny fanabeazana ara-pananahana, navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny solombavambahoaka. Voalaza fa mila fankatoavana ny fampianarana ho zaraina any an-dakilasy. Namoaka « note circu­laire » ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny volana novambra 2023. Ma­nambara izany fa tsy maintsy alefa any amin’ny sampandraharaha misahana ny toeram-pampianarana ny hetsika fanentanana na fampahala­lana rehetra […]

Anjanahary : telo lahy nanolan-jaza nalefa eny Tsiafahy

Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy, afakomaly, ireo telo lahy nanolan-jaza teny An­janahary. Mpianatra avokoa izy telo mirahalahy ireo. Ankizivavy 16 taona io lasibatry ny filan-dratsin’izy ireo io. Nifankafantatra tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny mpanolana sy ny voaolana. Raikitra ny fihaonana voalo­hany, teny Andravoahangy. Nentin’ilay tovolahy nihazo ny tranony teny Anjanahary ilay ankizivavy […]

Tetikasa Tafita : mampivoatra ny fifehezana ny vakiteny sy ny kajy

Mitohy ny  tetikasa  « Tafita » izay iarahan’ny fanjakana malagasy amin’ny fandaharanasa japoney, JICA. Handrakotra ny faritra 23 izany manomboka amin’ity taona ity. Hitohy amin’ny dingana fahatelo ny tetikasa «Tafita», nampiharina teny amin’ny sekoly fanabeazana fototra na ny EPP. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana sy hanomezana lanja ny fitantanana eny ifotony miaraka […]