Fiaraha-monina

Toetr’andro: andro ratsy 2 ao amin’ny ranomasimbe Indianina

Nahafeno fepetra ka nomena anarana Djoungou ilay rivodoza any amin’ny ranomasimbe Indianina. Mikisaka miatsinanana ary vinavinaina hitombo hery hatrany saingy tsy hahakasika an’i Madagasikara. Heverina hisy fiforonana rivodoza hafa ihany koa any amin’ ny faritra avaratra atsinanan’ny Nosy amin’ny fisasahan’ny herinandro. Nahitana fidinana misongadina ny tsindrin’ny habaka amin’ny faritra maro […]

Fandriana : voasakana ny fivorian’ny fikam­banana mpanao asa sosialy

Tsy tanteraka hatramin’ny farany ny fivoriana nokasain’ny fikambanana maromaro ao Fandriana, ny 12 febroary teo. Voatery najanona izany noho ny fanakanana nataona palemantera iray. Nanao fivoriana momba ny asa sosialy efa fa­naony ny fikambanana maromaro ao Fandriana, ny alatsinainy 12 febroary teo. Ahi­tana ny zokiolona, ny fi­kam­banan’ny vehivavy 8 marsa, […]

Faritra Diana: midina ifotony ny minisitra Fomendraza Haingo Elisette

Manatanteraka ny asa sosialy amin’ireo akany sy ivontoerana any amin’ny faritra Diana ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomendraza Haingo Elisette, tamin’ity herinandro ity. Tao amin’ny akany FLM, fitaizana ireo olona marenina, ny tenany nanolotra lamba firakotra sy koveta ary milina fanjairana hahafahan’izy ireo mianatra asa. Miisa 21 ireo […]

Hisorohana ny tondradrano: mitohy ny fanadiovana ny lakandrano

Nitohy ny firotsahan’ny orana eto amin’ny faritra Analamanga, tamin’ity herinandro ity. Mitohy tsy ankiato ihany koa ny asa fanadiovana sy fanalalahana ny lakandrano amin’ny faritra iva sy mora tondraka rehetra, hoy ny Apipa. Miakatra ny rano amin’ireny faritra ireny ka miasa isan’andro amin’ny fanalana ny fako mitobaka sy ny tsikafona […]