Fiaraha-monina

Fisaraham-panambadiana : lany andro ny lalàna mifehy azy

Natsinkafon’i Nam­binin­tsoa Joséphine Prisca, “M.2” sampam-piofanana lalàna anivon’ny oniversiten’ Ankatso nandritra ny fanohanana ny voka-pikarohany, natao tao Ankatso, ny herinandro lasa teo, fa efa lany andro ny lalàna mifehy ny fanambadiana sy ny fisaraham-panambadiana ka lasa mitondra voka-dratsiny amin’ny reny sy ny taranaka izany. Raha mitranga amin’ny ankohonana iray ireo, […]

Tsy afaka mihetsika ny rantsam-batana: nomen’ny filoha seza misy kodiarana i Sedera

Vokatry ny fahavoazana eo amin’ny tsokan-damosina, tsy afaka mihetsika ny ratsam- batana ambanin’i Sedera. Nivonto koa ny tongony satria nivaingana ny ra ka nanentsina ny “veine” teo amin’ny foto-peny. Ny talata lasa teo no tonga teo amin’ny CHURJA indray i Sedera, ilay ankizilahy voan’ny balan’ny jiolahy tany Toa­masina, ny fiandohan’ny […]

Tetikasa MCGL : hanampy ny tolotra ara-pahasalamana

Nosokafana tamin’ny fom­­ba ofisialy ny, 13 desambra teo ny tetikasa Momentum Country and Global Leader­ship (MCGL), niarahana tamin’ny USAID. Tetikasa hampitombo ny vokatra ara-pahasalamana any amin’ny faritra 15 eto amin’ny firenena izy io. “Hanampy ny minisite­ran’ny Fahasalamam-bahoaka hamolavola politika hanatsarana ny fandaharanasan’ny fanjakana momba ny fahasalamam-bahoaka eto Mada­ga­sikara ny MCGL”, hoy […]

Zon’olombelona : fanandevozana moderina ny fanondranana olona an-tsokosoko

Nanambara ny Mpano­lotsaina voalohany eo anivon’ny masoivoho amerikanina, Tobias Gluksman, nandritra ny lahateniny, omaly, fa “en­drika fanandevozana mo­derina ny fanondranana olona an-tsokosoko no sady fanitsakitsahana ny zon’olombelona”. Notsipihiny fa vonona ny firenena amerikanina ny hiara-hiasa amin’ny governemanta malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny amin’ny fandraisana fepetra mifanaraka amin’izany. Voakasik’izany ireo olona, […]

Minisiteran’ny : fitsarana Henjanina ny sazy ho an’ny mpanao herisetra

Betsaka ireo mitaraina fa very an-javony ny fitoriana momba ny trangana herisetra rehefa tonga eny anivon’ny fitsarana. Nanazava ny tompon’andraikitry ny minisiteran’ny Fitsarana fa henjana ny politika ampiharina momba ny ady atao amin’ny herisetra. Ao anatin’ny 16 andro hanaovana hetsika iadiana amin’ny he­risetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy, […]