Fiaraha-monina

Tetikasa JMCT : 60% amin’ny mpianatra 4 518 no nahita asa avy hatrany

Nampiakatra ny lentan’ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra sy ny mpianatra eny anivon’ny ivontoeram-panofanana sivy eto amintsika ny tetikasa JMCT niarahana amin’ny fanjakana kanadianina. Nifarana ny tetikasa Jeunesse malagasy compétente au travail (JMCT), niarahan’ny ivontoeram-pampianarana teknika sy ireo sekoly ambony sivy (IST telo, Inscae, LTP…) ary notohanan’ny fanjakana kanadianina, AUF ary ny UQTR nandritra ny enin-taona. […]

Fiantsonana amoron-dalana : ny CUA ihany no manome ny famandrihana

Nitondra fanazavana ny avy ao amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra mo­mba ny famandriham-piantsonana fiara manokana atao eny amoron-dalana. Mizara roa ny toeram-piantsonana voatokana ara-dalàna manerana ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Ao ny « Sauf Pass » dia ao ny « Abo ». Mora fantarina ireo karazana toerana ireo noho izy voasoritra amin’ny loko mavo. Ahitana ny […]

Tafika an-dranomasina : hasongadina ny miralenta

Mandalo eto Madagasikara ny tonia mpanatanteraky ny Tafika an-dranomasina amerikanina miasa any Eoropa sy aty Afrika, Juliet Beyler. Hihaona sy hidinika amin’ireo Malagasy tomponandraikitra voakasiky ny filaminana an-dranomasina ny tenany. Hanehoana ny fifandraisana an-dranomasina matanjaka sy maharitra eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara. Hanasongadina indrindra ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa […]

Classe intégrée passerelle: mandray ireo manana fahasembanana

Anisan’ny asa nosahanin’ny mpiandraikitra ny tetikasa  « Equal », tontosain’ny fikambanana Autisme Madagascar, ny adisisika atao eny anivon’ny minisitera maromaro: Fahasalamana, Fanabeazana…hanatsarana ny fisitrahan’ny olona manana fahasembanana fiahiana sosialy mifandraika amin’ny filàny. Miara-miasa ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fikambanana amin’ny fanapariahana ny “classe integrée passerelle” amin’ny faritra maro eto amintsika. Fametrahana efitrano […]

Lycée teknika: nivoaka ny tetiandron’ny fanadinana

Nosantarina ny 22 janoary lasa teo ary hifarana ny 5 avrily ho avy izao ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana hidirana taona voalohany eny anivon’ny Lycée teknika na ivontoeram-panofanana teknika ho an’ny taom-pianarana 2024-2025, araka ny fanazavana avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Ho­tanterahina ny 20 sy 21 […]