Fiaraha-monina

Fananahana ara-pahasalamana : tokony ho taranja ianarana any an-dakilasy

Niasa amin’ny faritra enina eto Madagasikara ny International Youth Alliance For Family Planning (IYAFP) nanomboka ny taona 2016. Efa-taona taty aoriana no nosantarina ny asa ao Boeny. Mifototra amin’ny fanomezana lanja ny hisitrahan’ny ankizy ny fandrindram-piterahana ny asa indraiketany sy manao adisisika amin’ny fampahafantarana ny lalàna momba ny fandrindram-piterahana laharana […]

Ritra ny loharano: nandatsaka orana ny meteo sy ny Jirama

Mikorontana ny famatsian-drano sy famatsiana herinaratra noho ny faharitran’ny loharano mamatsy ireo renirano amin’ny tanàna maro. Fanda­tsahana orana ihany anefa ny vahaolana, raha ny nambaran’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby. Ny 9 sy 10 novambra teo dia nanatanteraka hetsika fandatsahana orana ny meteo Madagascar sy ny Jirama, indrindra […]

Miami Toamasina : nianoka ny hatsarany ny mponina

Miami Toamasina, tena raitra ny fotodrafitrasa izay hitondra ainga vao ho an’ny faritra Atsinanana. Misokatra ho an’ny daholobe ny faran’ny herinandro teo an-toerana izany. Fanajariana morondranomasina tsara indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity ao Toamasina ity raha ny fanazavana nentin’ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana. Nisitraka […]

Fampianarana eto Madagasikara : tokony hifototra amin’ny tsenan’ ny asa ny fiofanana omena

Tanterahina any Paris, renivohitr’i La Frantsa, ny fivoriamben’ny Unesco faha-42. Mandray anjara amin’izany ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Razafindrianiaina Minosoa Elia. Dinihina manokana nandritra ny fivoriamben’ny Unesco atao any Paris, ny 7 ka hatramin’ny 22 novambra izao, ny laharam-pahamehana ho an’i Afrika hisian’ny fanovana tsara […]

Mesupres-INSTN-AIEA: nanasongadina ny lentan’ny nokleary ireo tanora malagasy

Nankasitrahin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ireo tanora 3 mianadahy nitondra avo ny voninahitr’i Madaga­si­ka­ra tamin’ny fifaninanana, nandritra ny fivoriambe andiany faha-67, ny “Agence internationale de l’énergie atomique” tany Vienne Autruche. Anisan’izany Andriampa­rany Koloina Valisoa , Ia­li­nomenjanahary Radonasolo Rodier , Rakotondrasoa Ma­he­nintsoa Stelly , samy taona faha-4 ao […]