Fiaraha-monina

Misalasala ireo mpandraharaha : maro ny toeram-pilanonana tsy hanao “Réveillon”

Vitsivisy ireo efitrano filanonana mandray ny fetin’ny fa­ran’ny taona tamin’ity taona ity. Mbola matahotra ny fiantra­ikan’ny valanaretina Covid-19 ireo mpikarakara lanonana sy tompon’ireny trano fanaovam-pety ireny. Niakatra rahateo ny vidin-javatra rehetra, tsy maintsy hiakatra torak’izany ny vidim-pidirana ka manahy ny tsy fahafahan’ ny olona ny mpikarakara. Mbola maro ny olona […]

Noho ny ezaka natao tany atsimon’ny Nosy: tompondakan’ny fanjarian-tsakafo Rajoelina Andry

Hisy tetikasa andrana dimy iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo iarahana amin’ny fikambanana Big Win Philanthropy eto amintsika. Nosokajian’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) sy ny fikambanana Big Win Philanthropy ho tompondakan’ny fanjarian-tsakafo aty Afrika ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Ni­voi­tra izany nandritra ny fihao­nan’ny filoham-pirenena ta­min’ny filoha lefitry ny BAD, Marie-Laure […]

Ambatofinandrahana : tsy hanaiky ny tsindrin’ny depiote ireo mpitrandraka

Efa tena tafahoatra ka tsy azo ekena intsony. Nivoaka tamin’ny fahanginany ireo mpitrandraka madinika, any amin’ny fokontany Amba­lama­hatsara, kaominina Fe­no­arivo, Ambatofinandra­hana. “Tsy hanaiky ny fanararaotam-pahefana ataon’ny depiote voafidy tany Beloha sur Tsiribihina izahay”, hoy ny solontenan’izy ireo. Na­nambara ireo mpitrandraka fa manana taratasy ara-dalàna, araka ny fahazoan-dàlana 3273 izy ireo. […]

Tanàna maitso-Unicef : hanaovana andrana amin’ny toerana efatra any Bekily

Hanaovana andrana amin’ny tanàna efatra ao anatin’ny distrikan’i Bekily: Besakoa, Ankaranabo Avaratra, Ambatosola ary Vohimanga ny fametrahana ny tanàna maitso. Miaraka amin’ny Uni­cef izay vatsian’ny mpiray ombon’antoka maro ary anisany i Frantsa sy Pays-Bas andrana momba ny tanàna maitso tanterahina ao Bekily. Tolotra feno amin’ ny rano hosotroina, hambolena sy […]

Johannesburg : nodinihina ny ady amin’ny fanararaotana anaty internet

Notanterahina tao Johan­nes­burg, renivohitr’i Afrika Atsimo, ny 8 hatramin’ny 10 desambra lasa teo, ny atrikasa mahakasika ny tetikasan’ny firenena afrikanina entina miady amin’ny fanararaotana ara-nofo mianjady amin’ireo ankizy amin’ny alalan’ny internet. Nodinihina ny paikady mifanandrify amin’izany ary ny fametrahana sori-dalana enti-miady amin’izany aty Afrika. Nisy ihany koa ny fifanakalozana sy […]