Eny amin’ny fokontany Androndrakely indray ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ho an’ny boriborintany faharoa, amin’io herinandro io. Ny 13 hatramin’ny 16 febroary no hanatanterahina izany eny an-toerana. Tsy miova ny tolotra fa toy ny efa nisitrahan’ireo teny amin’ny boriborintany hafa ihany. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana amin’ny ankapobeny, […]
Fiaraha-monina
Boriborintany III: mpivarotra hani-masaka 200 nofanina
Miisa 200 ireo mpivarotra hani-masaka ao amin’ny boriborintany III nampianarina sy nentanina. Nisy ny fizarana “certificat d’immatriculation” maimaimpoana, tamin’ity herinandro ity. Kendrena mba ho sakafo madio sy ara-pahasalamana no hamidin’izy ireo amin’ny mpanjifa. Tanjona ny tsy hisian’ny fanapoizinana ara-tsakafo sy aretina avy amin’ny alalan’ireo mpivarotra hani-masaka. Hitohy amin’ny fanaraha-maso sy […]
Dr Ratrema Lala : Mitondra fanazavana medikaly momba ny famosirana
Lany teny anivon’ny Antenimiera roa tonta ny lalàna famaizana ny mpanolana zaza ka tafiditra ao ny famosirana amin’ny fanafody sy amin’ny alalan’ny fandidiana ireo nanao izany. Mitondra fanazavana ara-pitsaboana momba ny famosirana roa voalaza ny dokotera Ratrema Lala Andriatiana, mpitsabo manana ny DES en échographie sady mpahay lalàna. Gazety taratra […]
Fitaterana Ambohidratrimo-Vassacos : mamaha ny olan’ny mponina ny fisian’ny kaoperativa vaovao
Tsy nanaiky ny fandaminana. Nitokona ny mpitatitra taxi-be eny Ambohidratrimo, omaly. Noho ny fisian’ny kaoperativa vaovao ny anton’ny fitokonana. Nanao fitokonana ny taxi-be mampitohy an’Alakamisy-Vassacos, omaly, rehefa tsy nanaiky ny fampidirana ny kaoperativa hafa miainga eo Ambohidratrimo. Nanazava ny ben’ny Tanànan’Ambohidratrimo, Raherimanantsoa Feno, fa nisy fangatahana nataon’ny kaominina tamin’ny taona 2020-2021 mahakasika ny hiasan’ny kaoperativa […]
CANAL 7 – PLAZA: “Tsy nanatsara ny EPP 15 nifanarahana
15 ny EPP (EPP Andavamamba, Anosipatrana, Analakely, Amboditsiry…) ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra tokony ho nohavaozin’ny orinasa Canal 7. Tafiditra anatin’ny fifanarahana fiaraha-miasa natao sonia ny volana septambra 2016 miaraka amin’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena. Io ny fanazavan’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Tsy niroso tamin’ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa ireo anefa ny […]





