Fiaraha-monina

Ranotrambo niseho tany Benenitra : olona iray maty, dimy tsy hita popoka

Taorian’ny fidinan’ny tomponandraikitra nijery ny vokatry ny ranotrambo niseho tany Benenitra, nivoaka ny tatitra ofisialy avy amin’ny BNGRC. Iray ny olona maty vokatry ny fisian’ny ranotrambo tany amin’ny distrikan’i Benenitra, ny fiandohan’ny herinandro teo. Dimy ny olona tsy hita popoka ary dimy hafa avotra soa aman-tsara, araka ny tatitra avy […]

Fenoarivo Atsinanana : nanolo-tanana ireo traboina ny Tafika

Nanao izay ho afany ny Tafika malagasy, nanoloana ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsakorana tafahoatra tao an-tampon-tanàna Fenoarivo-Atsinanana. Nanetsika avy hatrany ny miaramila hisafo ireo trano dibo-drano ny Kaomandin’ny ZDS Pangalana, Jly Rakotoariso Andriantsoavina Henri Jocelyn. Nalaina tao amin’ny trano tamin’ny alalan’ny fampiasana vedety sy lakana ireo lasibatra. Nobabena ireo […]

Vokatry ny rotsakorana: Olona efatra maty, telo tsy hita popoka

Mbola mitohy ny rotsakorana ka nahazo filazana fampitandremana i Vavatenina, Fenoarivo-Atsinanana, Toamasina I-II ary Vatomandry hatrany Atsimo Atsinanana, Taolagnaro, Soanierana Ivongo, Mananara-Avaratra ary Maroantsetra. Efatra ny olona namoy ny aina vokatry ny orana nikija teto Antananarivo (boriborintany I) sy tany Man­do­to, orana niseho ny 6 ka hatramin’ny 11 febroary lasa […]

Iarahana amin’ny governemanta Emirati : tanora 1 tapitrisa hiofana momba ny “coding informatique”

Nomen-danja nandritra ny fihaonana an-tampony maneran-tanin’ny governemanta “World Gouvernments Sum­mit”, atao any Dubaï ny fanofanana arakasa. Nisy fanaovan-tsonia ny “Memorandum of Understanding” (MoU), natao omaly. Ny fanombohana ny fandaharam-panofanana momba ny fahaiza-mitarika ho an’ny tomponandraikitra ambony eto amin’ny fanjakana ma­lagasy. Eo koa ny fisantarana ny “Coders initiative”, fandaharam-panofanana mikasika ny “rindrambaiko informatika” […]

Cisco Toamasina: mitsahatra ny fampi­anarana noho ny orana

Namoaka filazana ny lehiben’ny Cisco ao Toamasina fa hatsahatra aloha ny fampianarana ao an-toerana, nanomboka omaly hatramin’ny rahampitso. Noho ny faharatsian’ny toetr’andro any an-toerana sy ny mbola mety hitohizan’izany hatramin’ny 18 febroary ho avy izao no anton’ny fampitsaharana ny fampianarana. Mikija andro aman’alina ny orana any an-toerana, maro ireo toerana […]