Nomarihina, omaly, teny amin’ny fiangonana FLM Ambatovinaky, ny Alahadin’ny Baiboly miaraka amin’ny Fikambanana mampiely Baiboly malagasy (FMBM). Fotoana nahatsiarovan’ny rehetra ny fikambanana koa ny fotoana na ara-bavaka na ara-bola na amin’ny fanomezana tohana samihafa. Manana antom-pisiany efatra ny fikambanana: voalohany ny fandikana ny Soratra Masina amin’ny fiteny azon’ny olona, eo […]
Fiaraha-monina
Tetikasa “Equal”: politika ho an’ireo manana fahasembanana ara-tsaina
Napetraky ny fikambanana Autisme Madagascar, ny taona 2022, ny tetikasa “Equal” hampiroboroboana ny fandaharanasa fiahiana sosialy ho an’ny olona manana fahasembanana sy hampitomboana ny olona mpisitraka. Mifarana ny fandaharanasa ankehitiriny ary nivoitra fa tsy misy sorabola manokana avy amin’ny fanjakana hitsinjovana ireo olona manana fahasembanana nandritra ny fisehoan’ny valanaretina Covid-19 […]
Moramanga: notokanana ny ivontoerana ho an’ny zokiolona
Notokanan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, omaly, ny ivontoerana fandraisana ireo olona manana fahasembanana sy zokiolona ao Moramanga. Tsy tokony hisy ny fanavakavahana sy ny fanilikihana eo amin’ny samy mpiara-belona. Samy manana ny anjara toerany eo anivon’ny fiarahamonina ny rehetra, hoy ny filoha. Tanjona ny hisian’ny fitovian-jo eo amin’ireo sokajin’olona marefo. Misy […]
Famosirana : fihemorana ho an’ny mpahay lalàna
Fihemorana ity lalàna vaovao vao lany teny anivon’ny Antenimiera roa tonta momba ny famaizana ny olona nanolana zaza tsy ampy taona (amin’ny alalan’ny famosirana miaraka amin’ny fanafody na fandidiana) ity, raha jerena araka ny lalàna famaizana malagasy. Io ny hevitry ny olona mpahay lalàna iray izay nangataka ny tsy ho […]
Tontolon’ny Fampianarana: hilofosana ny fanatsarana ny kalitao
Hifantoka amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ny fanjakana. Maro ireo fifanarahana hatao hanatontosana izany. Tsy ho latsa-danja ny fampianarana ampitain-davitra. Nisongadina nandritra ny lahatenin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, nandritra ny fitokanana ny CEG manara-penitra ao Moramanga, omaly, ny hidiran’ny fanjakana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara. Tanjona ny hahatonga ny […]





